Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Olona enina no namoy ny ainy

07/01/2013

Mihanaka ny areti-mandoza pesta raha atao indray mipi-maso. Olona 6 mantsy izao raha ny tarehimarika ofisialy no fantatrafa matin’ity aretina ity ka ny roa tao kaominina Andramasina, izay manana mponina manodidina ny 139 217. Efatra kosa tany Ambatofinandrahana, izay misy mponina eo amin’ny 116 066. Efa tena loza mitatao tokoa izany tarehimarika izany. Tsy takona afenina intsony ny loto manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Potika ireo fotodrafitrasa hiaroavana amin’ny tondra-drano; mananontanona araka izany ireo areti-mifindra maro. Miakatra an-tanana ny voalavo noho ireo fako sy zaoridira miparitaka etsy sy eroa; tsy mahatandrina ny fahadiovana intsony ny ankamaroan’ny olona noho ny fahantrana diso tafahoatra.

Tsy mahagaga raha sahy milaza izao karazana “faminaniana” rehetra izao ireo mitonon-tena ho mpaminany satria efa mazava fa hiatrika loza maro tokoa ny firenena: rivodoza, areti-mifindra, tondra-drano, tsy fandriampahalemana, sns. Raha tena mpaminany marina tokoa mantsy izy ireny dia tokony efa nambarany ny anaran’izay ho lany filohan’ny Repoblika faha-IV ary ny daty marina hanaovana izany fifidianana izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...