Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy mahalala menatra !

07/01/2013

RTS, FIS, RAL, CFS,… Sangany ary samy manana ny lazany avokoa ireo vondrona manokana nalefan’ny filoha Rajoelina tany Betroka, mba hisambotra an-dRemenabila. Lany ny miliara, lany ny bala, lany fotoana, tsy mbola azo ihany anefa ity lehiben’ny dahalo ity. Fanamelohana avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena maro indray aza no azon’ny Foloalindahy ary tsy nataotao foana ireny fanambarana avy amin’ny Amnesty International sy ny Justice et Paix ireny; manana porofo eo am-pelatanany izy ireo matoa nivoaka tamin’ny fahanginany. Ny tsy fahazoana an-dRemenabila dia efa henatra goavana ho an’ny Foloalindahy; ireo vahoaka tanam-polo mitaky ny rariny sy ny fahalalahana eny an-kianja irery ihany no hain’ny mpitandro filaminana ravàna amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’izy ireo.

Fa mbola nitombo indray ny henatra taorian’ny dian’ny filoha Rajoelina tany Israely satria dia ry zareo israeliana indray no hanome tanana amin’ny fampandriana ny fahalemana eto amintsika. Tsy efa midika ve izany fa vilian-tsahona ny Foloalindahy Malagasy? Israely izay tany miady indray ve no hanampy an’i Madagasikara mba hiainan’ny vahoakany ao anatin’ny fitoniana sy ny fahalemana? Tsy maintsy volam-bahoaka no handoavana ny karaman’ireo teknisiana israeliana ireo; izany hoe volan’ny mpandoa hetra kanefa ny miaramila mitaky ny tsy handoa hetra! Tsy mety menatra mihitsy ny Foloalindahy sy ny Tafika Malagasy. Mbola manana izany “sens de l’honneur” izany ve ireo manamboninahitra eto amintsika?
Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’ireo teknisiana israeliana hametraka stratejia amin’izany fandriampahalemana eto amintsika izany raha tsy miditra ao anatin’ny fibaikoana ny Foloalindahy mihitsy izy ireo na farafaharatsiny mahalala ny tsiambaratelon’ny Tafika ! Henatra ho an’ny Foloalindahy ary tsy hiadian-kevitra mihitsy ny nataon’ireo nambara ho mersenera Afrikana Tatsimo ny taona 2009 ; inona anefa no maha samy hafa izany amin’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha Rajoelina izao ? Dia hanao inona fotsiny izany ireo jeneraly 31 vao avy nosalorana kintana teo ireo raha mbola hanakarama israeliana hametraka ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika?

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...