Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

« Miteny amin’ny anarany ny Gal Rabarisoa Ranto »

19/10/2012

Mitàna ny sain’ny maro na dia fa tena leo politika sy tofoky ny krizy aza ny vahoaka, ny fahatongavan’ireo miaramilan’ny SADC. Nisy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy sy ny Tafika nandritra izany. Manana ny heviny manoloana indrindra ireo izay nitafa tamin’ireto miaramilan’ny SADC ireto, ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Nametra-panontaniana avy hatrany ny tenany, mikasika indrindra ny antom-pisian’ny CMDN, araka izao manaraka izao: “aiza ho aiza ao anatin’ny Lalam-panorenanan no milaza izany CMDN izany? Tsy misy

zavatra ara-dalàna mihitsy izany ny atao mandritra ity fitondrana ity" Nanambara mihitsy ity jeneraly ity fa miteny amin’ny anarany manokana avokoa ireo manamboninahitra nivory niaraka tamin’ny SADC ireo fa tsy misolo tena ny maro velively.”Tsy mbola nisy miaramila miditra amina adihevitra politika izany mihitsy”, hoy ihany izy.
“Leon’izao fitondrana tsy manara-dalana izao ny vahoaka. Fotoana tokony hitadiavana praiminisitra mahay ny asany ary manana fahefana feno hanatanterahany ny andraikiny mihitsy izao”, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Noraisiny ohatra amin’izany ny zava-nisy tamin’ny andron’ny praiminisitra Razanamasy Guy Willy, izay nitondra ny firenena nandritra ny Tetezamita 1991. Hoy indrindra ity jeneraly ity: “tsy nisy an’izany filan-kevitry ny Minisitra izany nandritra ny fitondran’ny praiminisitra Razanamasy. Tany Mahazoarivo daholo ny fanapahan-kevitra rehetra ary nanaja izany rahateo koa ny amiraly Didier Ratsiraka izay nijanona tamin’ny maha filoham-panjakana azy. Taiza no mbola nisy filoham-panjakana manao ny asan’ny Mpanatanteraka raha tsy amin’izao fitondrana Tetezamita izao?”.
Marina tokoa ny nambaran’ity manamboninahitra ity. Rotiky ny asan-dahalo ny vahoaka any Atsimo. Saika ringana ny mpitandro filaminana tany an-toerana; kanefa dia ny filoha Rajoelina no tonga tany Betroka, nanjavona tsy hita ny praiminisitra Omer Beriziky. Manao propagandy alohan’ny fotoana ny filoha Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, mangiana tsy mahateny ny lehiben’ny governemanta, heverina fa tokony hiantoka ny tsy fitanilàna atsy sy eroa satria hiaraha-mitantana. Inona intsony moa izany no ilàna ny praiminisitra Omer Beriziky? Mandany volam-bahoaka fotsiny ny fiantohana ny fiainany sy ny fianakaviany.

Roc
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...