Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Efa mikotrika fitokonana ihany koa ny « Cellule de crise »

08/01/2013

Ny 8 febroary ho avy izao no hifamotoana amin’ny alalan’ny fivoriambeny ny “Cellule inter-ministérielle de crise des agents de l’Etat”. Eto Antananarivo no hanaovan’izy ireo izany fivoriambe izany. Toa an’ireo mpampianatra SEMPAMA dia tsy afa-po noho ny tsy fatanterahan’ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana, taorian’ny hetsika nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa ihany koa ny cellule de crise. Azo eritreretina arak’izany ny handraisan’izy ireo fanampahan-kevitra hanao fitokonana vaovao mandritra io fihaonam-be karakarain’izy ireo amin’ny 8 febroary io. “Tsy mendrika hangatahan-javatra ary tsy mahavaha ny olan’ny mpiasam-panjakana ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao”.

Izay no nambaran’i Fama Razafimahazo isan’ireo mpitarika ao amin’ny Cellule inter-ministérielle de crise des agents de l’Etat », raha namaly fanontaniana napetraka taminy manodidina ny fahitany ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana amin’izao fotoana izao ny tenany. Lafinjavatra vitsivitsy no nentiny nanamafy izay fomba fijeriny izay. Isan’izany ny mbola tsy firaharahan’ny fitondram-panjakana an’ireo fitakiana samihafa izay nisy tamin’iny taon-dasa iny. Isan’izany, araka ny nambarany ny mikasika ny “grille indiciaire” izay notakian’ny mpiasam-panjakana ny hampitoviana lenta azy, na ilay fantatra amin’ny hoe “alignement de grille indiciaire”. Hatreto dia mbola tsy nisy ny fijerena izany fitakian’ny Cellule de crise interministérielle des agents de l'Etat izany araka ny nambaran’i Fama Razafimahazo. Ny mampalahelo hoy ihany ny fanamarihan’ity tompon’andrikitra ity dia ny fihazakazan’ny fitondrana tetezamita any amin’ny fanomezana fahafaham-po ireo sehatra misy ifandraisana amin’ny politika. Ohatra amin’izany ny filazana fa homena karama isam-bolana ny Maki de Madagasicar. Izany hoe hampitoviana lenta amin’ny mpiasam-panjakana izy ireo kanefa hatreto dia tsy misy fijerena mihintsy ireo tena mpiasam-panjakana izay matianina amin’ny roerana misy azy isan’isany avy. Mampalahelo ihany koa, hoy ihany ity mpiasam-panjakana ity ny fahitana fa any amin’ny zavatra heverina fa tsy laharam-pahamehana mihintsy no hanaovan’ny mpitondra ezaka. Isan’izany ny momba ireny fotodrafitrasa toy ny Coliséum Antsonjombe izay heverina fa tsy laharam-pahamehana raha miohatra amin’ny olana mahakasika ny asam-panjakana amin’izao fotoana izao. Ireny antony rehetra ireny ary no nambaran’i Fama Razafimahazo fa mahatonga azy hilaza fa tsy mendrika ny hangatahan-javatra ity fitondrana ity.
Ankoatr’izay, nambaran’ny mpitarika ny Cellule de crise ihany koa fa manohana ny hetsika ataon’ny SEMPAMA amin’izao fotoana izao izy ireo satria iaraha-mahalala fa tsy nitana ny teny nataony ny ministeran’ny Fanabeazana mahakasika ny famerenana ny karaman’ireo mpampianatra nitokona sy ny momba ireo mpampianatra Fram. Nambarany ary fa rariny raha manao izao hetsika izao ny SEMPAMA. Marihina fa ity mpitarika ny ellule de crise des agent de l’Etat ity no nilaza fa efa nisy fihaonana matetika teo amin’izy ireo sy ny SEMPAMA. Arak’izany rehetra izany dia ahina hiverina indray amin’izao fotoana izao ireny hetsika nisy tamin’ny taon-dasa nataon’ny mpiasam-panjakana tamin’ny sehatra samihafa ireny, ary azo eritreretina ihany koa ny mety hisian’ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo sehatra ireo amin’ny fanamafisana ny fitakiana izay ataony.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...