Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mitaky omby miisa 700 ny fokonolona

09/01/2013

Tsy faly noho ny mbola tsy namotsorana an’ilay heverin’izy ireo fa tompon’antoka tamin’ny vono olona nitranga tany Analalava Sakaraha ny fianankavian’ny maty tamin’iny raharaha iny. Nosakanan’izy ireo ny lalam-pirenena miditra ny tananan’ny Toliara. Tsy nisy fiara afa-niditra na afa-nivoaka an’I Toloary arak’izany, nandritra ny andro vitsivitsy. Araka ny vaovao farany dia efa nivaha ity olana ity, taorian’ny fifampiresahana. Mitaky onitra, omby miisa 700 anefa ireto fianankaviana nanana ny maty ireto. Tsy nisy fiarakodia afaka niditra na afaka nivoaka ny tananan’I Toliara hatramin’ny alahady teo ka hatramin’ny omaly, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Ny loharanom-baovao ihany koa no nilaza fa nosakanan’ny fokonolona ny lalam-pirenena miditra amin’izany tanana izany, ka teny Andatabo, kilometatra vitsivitsy miala an’i Toliary, no nametrahan’izy ireo izany sakana izany.
Ny tsy fahafalian’ireo fianankaviana sy ireo mpiray fihaviana amin’ireo namoy ny ainy noho ilay raharaha nisiana fifandonana tany Analalava distrikan’i Sakaraha, manoloana ny famotsoran’ny zandary ny olona heverin’izy ireo fa atidoha nikotrika izany vono olona izany no nahatonga azy ireo hanao izao hetsika izao. Araka ny loharanom-baovao dia efa nosamborin’ny zandary avy any Sakaraha ilay olona heverin’izy ireo fa naniraka an’ireo nahavanon-doza tamin’ny raharaha Analalava Sakaraha, kanefa navotsotry ny mpitandro filaminana rehefa tonga tany Toliary.
Tsy nisy arak’izany ny fiarakodia afaka niditra na nivoaka ny tananan’i Toloara nohon’ny sakana nataon’ireto vahoaka ireto, hatramin’ny Alahady lasa teo. Mbola ny loharanom-baovao ihany koa no nanamarika fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpanao sakana sy ny tompon’nandrikim-panjakana tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, tetsy an-daniny, ary ireo fokonolona mpanao sakana tetsy an-kilany. Tsy mbola fantatra loatra ny tena votoatin’izany fifampiresahana izany. Fantatra kosa anefa fa efa namaha ny sakana nataon’izy ireo ny fokonolona ary efa namela ireo fiarakodia handeha. Voalaza ihany koa anefa fa nitaky onitra, omby miisa 700 izy ireo ho satrin’izany rehetra izany.
Tsiahivina fa ilay raharaha fanafihana mpitrandraka vatosoa tany Analalava Sakaraha no nihavian’ity raharaha ity. Fanafihana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny zanak’ilay mpitrandraka safira ary nitarika ihany koa fahafatesan’olona miisa 8 tamin’ireo nanara-dia ny mpanafika.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...