Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nahazo fahafahana vonjimaika

11/01/2013

Ny alarobia 09 janoary no nahazo fahafahana vonjimaika ka nivoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy ireo polisy mirahalahy : officier sy inspecteur, izay nosamborina tany Toamasina ny faramparan’ny taona 2012 lasa teo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia taorian’ny fampakaran’izy ireo ny raharaha teny amin’ny fitsarana ambony no nazoany izao fahafahana vonjy maika izao. Raha tsiahivina dia nohelohin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Toamasina hisazy 30 volana an-tranomaizina izy ireo nohon’ny heloka niampangana azy.

Marihina fa tsy izy mirahalahy ireto ihany no nahazo izany fahafahana vonjy maika izany fa nahazo izany ihany koa ireo namany izay voaroiroy ka niara-voafonja taminy ankoatr’ilay mpamily izay efa nafahan’ny fitsarana nandritra ny fotoam-pamoahana ny didy ny 21 desambra 2012.
Raha tsiahivina ny antony nahavoafonja an’ireto polisy ireto sy ny namany dia noho ny fitoriana nataon’olona teo anivon’ny fampanovana, izay niampanga azy ireo ho naka vola tsy araka ny lalàna taman’olona. Teo ihany koa ny fanimbazimba mpitsara sy mpiasan’ny fitsarana nanao ny asany. Marihina fa mbola tsy vita hatreo akory ity raharaha ity satria mbola misy ny fitsarana ambony izay miandry azy ireo taorian’ny fampakarana ny raharaha. Inoana fa ho fantatra aorian’ny fanombohan’ny taom-pitsarana 2013 ny 15 janoary ho avy izao ny datin’izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...