Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Notorian’ny tangalamena Zakariasy eny amin’ny Bianco

20/10/2012

« Ny zoma 12 oktobra 2012 dia nanao valan-dresaka an-gazety ny tenako, mahakasika ireo tsimatimanota eto amin’ny firenena izay manararao-pahefana satri mialokaloka aorian’ny filohan’ny FAT ary ireo manodidina azy. Nampiseho taratasy porofo mitohoka amin’ny tendany ny tenako tamin’izany izay mampiseho ny hosoka ataon’i Mamy Ravatomanga miaraka amin’ny orinasa Mainland Mining TLD hanondranana an-tsokosoko andramena mankany Sina. Ny valin’izany anefa dia fanasoketana tsotra izao ny tenako fa izaho indray no tomponandraikitra nanao ny taratasy hosoka.

Mametra-panontaniana ihany ny tenako : inona no mampihazakazaka sy manaitra ny ao amin’ny prezidansa manao fanambarana izay miendrika fiarovana mivantana an’ireo voampanga ? Noho i Mamy Ravatomanga mpanolontsainan’ny filohan’ny FAT ve sa noho ny maha mpiray petsapetsa azy ireo amin’ny fanondranana andramena sy yn fandrobana ny harem-pirenena eto Madagasikara ? », hoy ny tangalamena Zakariasy Patrick. Niverina nitafa tamin’ny mpanao gazety tokoa mantsy ity tangalamena ity omaly tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, nitondra fanazavana mikasika ny fanambarana nataon’ireo orinasa voatonontonona ny zoma 12 oktobra 2012. Tamin’izany indrindra ihany koa no nitenenany teo anatrehan’ny mpanao gazety fa nametraka fitoriana ho an’ny orinasa Mainland Mining ILT sy ny Mamy Ravatomanga tale jeneralin’ny Groupe Sodiat teny amin’ny Bianco ny tenany ny alatsinainy 15 oktobra 2012, araka izao manaraka izao : « efa nametraka fitarainana eo anivon’ny Bianco ny tenako ny alatsinainy 15 oktobra 2012 lasa teo, izay sampana manokana miady amin’ny kolikoly vatsian’ireo mpamatsy vola avy any ivelany.Ho hitantsika eo raha voavidin’izy ireo koa ny Bianco na tsia, araka ny feo izay mandeha. Aleo hoporofoin’ity farany fa tsy marina izany fa tena andrim-panjakana mahefa tsy miankina tokoa ny Bianco ka hampiseho ny marina rehetra ».
« Tiko Boys »
Nanaitra ny mpanara-baovao ihany koa ny fanambarana nataon’ny tangalamena Zakariasy Patrick mikasika ny fisian’ny fifanarahana miafina eo amin’ireo olon’ny filoha teo aloha, fantatra amin’ny anarana hoe « Tiko boys » sy ny mpitondra amin’izao fotoana. Hoy indrindra ity tangalamena ity : « mpiombona antoka miafina tao anatin’ny MICTSL ny filoha Ravalomanana Marc ary ireo mpiara-miasa aminy no nanamboatra ny « convention » sy ny « cahier des charges » nifanarahan’ny SPAT sy ny MICTSL ary mbola olon’ny filoha teo aloha no tomponandraikitra ao hatramin’izao… Nanararaotra izany ny Tiko satria nahazo baiko ny MICTSL mba tsy handefa any amin’ny « Chambre de commerce » ny akora ampiasain’ny Tiko fa mety ho tratra lavanty. Ny lalamby sy ny entan’ny Madarail dia mitohoka ao amin’ny MICTSL mivantana tsy mandalo ladoany sy « scanner » izay tsy mitsahatra mivezivezy ao anatin’ny ora tsy voafetra na dia misasak’alina aza… Mazava eto ny zava-drehetra ; tsy an’iza ny Madarail fa an’i Mamy Ravatomanga. Izy ihany no nanapotika ny lalamby niaraka tamin’ny ministry ny Fitaterana tamin’izany fotoana mba hampiroboroboana ny Sodiat Petro ». Mametra-panontaniana ny tangalamena Zakariasy Patrick nanao hoe « moa ve sanatrian’izany misy fiaraha-miasa an-kolaka eo amin-dRavalomanana Marc sy Andry Rajoelina satria mahalala tsara ny zava-misy ny filohan’ny FAT fa tsy misy andraikitra raisiny ? ».
Fanangonan-tsonia
Manam-pikasana hanao fanangonan-tsonia ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka, handroahana tsy misy hataka andro ny orinasa Mainland Mining ny tangalamena Zakariasy Patrick. Anisan’ny ampamoaka nambarany omaly ny filazany fa « prête nom » fotsiny ireo Sinoa fa Mamy Ravatomanga sy ny FAT ihany no tompon’ny orinasa Mainland Mining mpitrandraka fasimainty izay tsy hita taratra mihitsy eto amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany manerana an’izao tontolo izao ». Tsy hijanona intsony araka izany ity raharaha ity raha tsy misy fandraisana andraikitry ny manampahefana, manokatra fanadihadiana hafantarana ny marina mikasika ireo antontan-taratasy mitoroka ny tale jeneralin’ny Groupe Sodiat sy ny orinasa Mainland Mining TLD, mikasika ireo « container » miisa folo voalazan’ny tangalemana fa nanondranana andramena tany Sina.

Roc
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...