Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mihantsy ny PDS-n’Antananarivo

14/01/2013

Nokianin’i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomieran’ny Fiarovana ao amin’ny Filankevitra avon’ny tetezamita sady filohan’ny antoko Masters, ny fandroahana ireo mpivarotra amoron-dàlana eto Antananarivo. Nambarany fa tsy hanaiky izany na oviana na oviana ny tenany ary tsy maintsy handray andraikitra manoloana izany. Nanazava ny antony tsy nanatrehany ny fifampiarahabana tratry ny taona teny Iavoloha ihany koa ity mpanao politika ity, ary mazava loatra fa isan’ny nitondrana fanazavana ihany koa ny mikasika ny hevitry ny fianankaviana Ramaroson momba ny fanadihadihana amin’ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty an’i Nadine Ramaroson.

Nampaka-peo ny filohan’ny antoko Masters. Ny zava-misy eto antampon-tananan’Antananarivo renivohitra mahakasika ireo mpivarotra amoron-dàlana no anton’izany fanakianana mivaivay avy amin’i Alain Ramaroson izany. Nambaran’ity mpanao politika ity fa tsy azo ekena velively ny fandroahana amin’ny toerany ireo mpivarotra amoron-dàlana amin’izao fotoana izao, eto Antananarivo renivohitra. Hoy indrindra ny fanazavan’ity mpanao politika ity raha naneho ny heviny momba izay fandroahana ny mpivarotra amoron-dàlana izay ny tenany: “Ny an-dRatopokovavy (Nadine Ramaroson) dia ho an’ny vahoaka Malagasy indrindra ireo tratran’ny tsindry hazo lena maro samihafa no nitolomany. ETo anefa dia mbola hita fa misy olona izay miezaka mandroaka olona amin’ny toerana misy azy na amin’ny trano fonenany sy ny sisa. Tsy handefitra aho amin’izay rehetra izay satria fandikana ny zon’olombelona izany, indrindra ny fandroahana ny mpivarotra amoron-dàlana. Fantatra araka ny atontan’isa navoakan’ny mpanao gazety fa efa 85% n’ny Malagasy no ao anaty fahantrana tanteraka. Izany hoe tena ao anaty krizy tanteraka ny fiainan’ny olombelona eto Madagasikara. Aiza ary no hiveloman’ireo olona ireo raha roahina amin’ny toerana misy azy izy ireo? Soa ihany fa nahita ivarotana izy ireo, far aha tsy izany dia ho aiza? Koa n’inon’inona ataon’ny Kaomina dia aoka hifanaja. Tsy olom-boafidy ianareo ka tsy afaka ny handroaka olona amin’ny toerany. Fandaminana no tokony hatao fa tsy fandroahana sy fanapvana herisetra”.
Ankoatr’izay dia isan’ny nitondran’ny Filohan’ny antoko Masters fanazavana ihany koa ny antony tsy nahitana azy teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha nanritra ny fifanmpiarahabana tratry ny taona teo amin’ny andrim-panjakana sy ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara. Nambarany fa ny andro mialoha iny lanonana iny dia nahazo fandrarana avy amin’ny mpikarakara tsy hitondra mpiaro amin’izany lanonana izany ny tenany. Nambarany ihany koa fa noroahina teny Ambohitsirohitra avokoa ireo mpiara-miasa taminy, ary tsy nomena birao teny intsony ny tenany. “Noheveriko, hoy izy, fa tokony hisy ny fihaonana teo amiko sy ny filohan’ny tetezamita taorian’ireny zava-nitranga rehetra ireny, raha toa ka mba isan’ny olona nanampy azy ho tonga teo amin’ny fitondrana ny tenako”. Nambarany fa tsy nisy anefa izany fihaonana izany.
Marihina fa taorian’ny fotoam-pivavahana fahatsiarovana an’i Tompokovavy Nadine Ramaroson, izay natao tao amin’ny CCESCA ny asabotsy teo no nanaovan’i Alain ramaroson izany fanambarana rehetra izany. Nisy ihany koa arak’izany ny fanazavana mikasika ny hevitry ny fianankaviana Ramaroson manoloana ny fanohizana ny fanadihadiana mikasika ny nahafatesan’ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson. Araka ny filazan’izy ireo dia tsy hanaiky intsony izy ireo amin’ny taona 2013 ity raha tsy mivoaka ny marina rehetra mikasika iny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nahafaty ny minisitra iny.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...