Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Sarona ireo mpanao taratasim-bola sandoka

15/01/2013

Vokatry ny velam-pandrika nataona tranombarotra iray teto Antananarivo, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena dia tra-tehaka ireo tompon’nantoka tamin’ny fisolokiana tamin’ny alalan’ny fanaovana taratasim-bola (chèque) sandoka izay ividianana entaana lafo vidy amina tranom-barotra. Miisa telo izy ireo no voasambotry ny mpitandro filaminana, mbola karohina kosa izay mety ho mpiray tsikombakomba aminy. Tsy tery lalana tokoa ny ratsy amin’izao fasahiranana mianjady amin’ny firenena izao.Isan’ny hanatanterahan’ny sasany ny asa-ratsiny indray amin’izao fotoana izao ny fisolokiana amin’ny alalan’ny fandefasana taratasim-bola na chèque sandoka izay hamitahany ny tranombarotra izay sendra azy.

Toy izao ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena izay mitantara ny fizotran’izany raharaha izany: Ny faha-10 janoary 2013 dia tonga tao amin’ny Commissariat Central ny solontenan’ny Société TRIUMPH INTERNATIONAL MADAGASCAR eny Ivandry nitondra ny fitarainan’izy ireo. Nambarany fa tamin’ny 21 novembre 2012 dia nisy vehivavy iray tonga tao amin’ity tranom-barotra ity nividy groupe électrogène 10 KVA marque CGM ka chèque UCB (union commercial bancs), laharana faha-141.99.500 no tany aminy. Io cheque io dia amin’ny anaran’ny Société MADAGASCAR KNITWORK izay zone industrielle teny TALATAMATY Andranotapahina ary efa nikatona.
Rehefa vita ny fifampivarotana dia naseho tany amin’ny banky UCB ilay cheque ary teo no nahafatarana fa sandoka ilay izy. Lasan’ireo olona ireo arak’zany ny entana izay mitentina 22.980.000 ariary na 114.900.000 fmg. Taorian’izay tranga nanjo azy izay dia naparitaky ny Société TRIUMPH INTERNATIONALMADAGASCAR tamin’ireo société izay fantany io vaovao io mba hitandreman’ireto farany. Nametraka fitarainana teny amin’ny Polisy economique teny ANOSY ihany koa ity société ity.
Ny 10 janoary teo kosa, nisy olona tonga tao amin’ny Société SITA teny amin’ny zone forello, orinasa izay mivarotra kojakoja vita amin’ny plastika. Marihina fa isan’ireo nahazo ny fampitandremana tamin’ny société TRIUMPH INTERNATIONAL MADAGASCAR io orinasa io. Hividy citerne sy fosse sceptique no anton-dian’ilay olona ka rehefa vita ny adivarotra dia nanome ny cheque ireo mpividy izay mitentina 68.569.314 arairy na 342.846.570 fmg.
Noraisin’ny Société SITA ny cheque ary rehefa nojereny fa avy amin’ny Société MADAGASCAR ilay izy dia niantso avy hatrany ny société TRIUMPH izy ireo. Nilaza teny amin’ny Commissariat centrale atsimondrano ihany koa izy ireo.Rehefa natao ny velampandrika. Noresahina ny Société SITA hoe ataovy ny varotra dia tonga tokoa ireo mpividy dia teo no nanomboka ny fisamborana ka telolahy no voasambotra tamin’izany dia i Brisy sy i Théo ary i Racom.
Ilay atao hoe Brise no tompon’andraikitra amin’ny fanaovana sonia ny chéque. Izy no nanao sonia ny carte de resident amin’ny anaran’ny Chabelier Pierre Francos monina any Nosy be Dzamanzard Ambondrona mizaka ny zom-pirenena frantsay. Io carte io no nentin-dry zareo handresen-dahatra ireo tranombarotra satria ny sonia amin’ilay carte sy ny chéque dia mitovy. Dia mora ho azy ireo ny mandresy lahatra. I Brise ihany no mandefa ny entana any amin’ny faritra izay efa misy mandray izany any.
Marihina fa ny laharan’ilay cheque tao amin’ny Société SITA dia 141.99.478 ; ilay tany amin’ny TRIUMPH INTERNATIONAL MADAGASCAR dia 141.99.500, izany hoe cheque iray izy ireo.
Fantatra ihany koa fa presiden’ny tsenan’i Namontana i Théo izay no tompon’andraikitra amin’ny opération rehetra. Tsy mandeha eny amin’ny tranombaritra ny tenany fa manome baiko fotsiny. Izy no mifidy izay olona azony antoka fa hahavira ny operation ataony. Olona somary sahirankirana ny manodidina azy ka azony atao amin’izay hitiavany azy ka araka ny loharanom-baovao ihany dia isan’ny mpibaiko ireo mpanao attaque à main armée ihany koa ny tenany. Ilay hoe Racom no mpiserasera sy mpampita vaovao satria izy no manana ny taxiphone. Mbola misy olona karohina amin’ty raharaha ity. Natolotra ny fitsara omaly ireo telo lahy efa voasambotra ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...