Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mahatratra 723 622 (43%) ireo niala-nianatra

17/01/2013

Ny atontan’isa tao amin’ny UNICEF no nahafantarana fa nahatratra 723 622 ny isan’ny mpianatra nitsiaka ny lakilasy teny amin’ny ambaratonga fototra nandritra ny taom-pianarana lasa. Mifanandrify amin’ny 43% n’ny mpianatra manerana ny Nosy tamin’io taom-pianarana io ny isa voarakitra tao amin’ny UNICEF. Mbola mety hiakatra io isa io raha ny zava-misy amin’izao fiandohan’ny taom-pianarana izao no jerena araka ny voalazan’ny to:mpon’andraikitra iray tao amin’ny UNICEF eto Madagasikara ihany. Tafakatra avo dia avo amin’izao fotoana izao ny tahan’ny fialana an-dakilasy ho an’ny fanabeazana fototra eto Madagasikara.

Araka ny atontan’isa voarakitra ao amin’ny UNICEF eto Madagasikara dia mahatratra 723 622, kizany hoe 43% n’ny isan’ny mpianatra tamin’izany taom-pianarana izany, no nitsoaka an-dakilasy tamin’ny taom-pianarana 2010-2011. Raha ho an’ny ankizivavy manokana dia mahatratra 42% izany fialana lakilasy izany. Mbola ambony noho io kosa ny fialana an-dakilasy rah any fidirana amin’ny ambaratonga faharoa no resahana. Mahatratra 65% ny tahan’ny fialana an-dakilasy amin’io dingana io. Marihina fa tamin’ny taona 2008 dia tsy nisy afa-tsy 25% izany fialana an-dakilasy izany manerana ny Nosy. Mbola ny atontan’isa tao amin’ny UNICEF ihany koa no nahitana fa tafakatra avo telo heny ny isan’ny mpianatra niala an-daharana nandritra ny 10 taona teto Madagasikara.
Maro ny voalaza fa antony mety nahatonga izany fialanaa an-dakilasy izany. Isan’ireny ny antony avy amin’ny fianankavian’ilay ankizy toy ny fahantrana sy ny tsy fananam-bola. Eo ihany koa anefa ny antony hafa toy ny tsy fananana kopia naterahana. Mbola isan’ny antony mahatonga ny fialàna an-dakilasy ihany koa ny lafiny ara-piaraha-monina toy ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsy falavorarian’ny sekoly ary ny tsy fisihan’ny mpampianatra. Voalaza ihany koa fa isan’ny mahamaro ny mpianatra miala an-daharana ihany koa ny fisian’ireny fampidiram-bola haingana toy ireny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ireny
Ankoatr’ireo voalaza ireo dia manana ny andraikiny amin’izay fialàn’ny mpianatra amin’ny fianarany izay ihany koa ny fitondram-panjakana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiovaovan’ny politikan’ny fanabeazana sy ny fifanarahan’ny tetiandrom-pampianarana amin’ny tetiandrom-pambolena isika. Eo ihany koa, etsy an-danin’izany ny fitontongan’ny lanjan’ny mpampianatra sy ny fampianarana eny amin’ireo sekoly tantanan’ny fanjakana.
Tandindonin-doza arak’izany ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika. Mety hisy fiantraikany amin’ny fianam-piaraha-monina ihany koa izay fialàna an-tsekoly izay satria ahina mafy ny mety ho fiakatry ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny fitomboan’isan’ny mpirenireny.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...