Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tratra ireo milaza mahay mampitombo vola

17/01/2013

Ny Zoma lasa teo no nisy vehivavy nametraka fitoriana tao amin’ny polisy tao Tsaralalana fa misy olona milaza ho mahay mampitombo vola ka 10.000Ariary lasa 30.000Ariary. Natao ny fikarohana ireo olon-dratsy ka tratra tamin’ny alatsinainy lasa teo ny iray tamin’izy ireo. Omaly kosa no tratra ny 3 hafa izay tamin’ny alalan’ity farany no nisamborana azy. Ny faha 29 desambra 2012 dia nisy olona milaza ho mahay mampitombo vola ka roboka tamin’izany ity ramatoa iray,

saika tsy ho rototra ihany izy fa ireo namany ireo no nandrisika azy ka teo no eo ihany dia nanaovan’ireto mpisoloky fanandramana ity ramatoa ka 10.000Ariary dia lasa 30.000Ariary ka roboka tamin’izany avy hatrany ka tapa-kevitra ka nanome 100.000.000 Ariary ary nieritreritra hoe ahazo 400.000.000 Ariary tamin’io vola io kanjo, raha vao nomen’ireto olon-dratsy ireto ny valizy izay nambaran’izy ireo fa misy ilay vola ilay ramatoa dia nolazainy fa mbola tsy azo sokafana fa miandry kely, ary rehefa lasa ireto farany dia tsy naharitra izy ka dia nojereny izay tao anaty valizy. Hatairana ny azy raha nahita fa tsy vola no tao fa taratasy miendrika vola maromaro.
25 ka hatramin’ny 28 taona ny salan- taonan’ireto olon-dratsy ireto. Nandritra ny famotorana dia nilaza ireto farany fa efa nividianana fiara 4X4 sy R.5, ireo vola ary ny ambiny any amin’ny naman’izy ireo mbola karohina. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...