Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Notsipahan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena Rajoelina

18/01/2013

Samy nanakiana ny soso-kevitra nomen-dRajoelina momba ny fanovana ny filaharan’ny fifidianana hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity avokoa na ny Vondrona Eropaanina n any SADC. Efa tsy nankasitraka an-Drajoelina rahateo ny i Etazonia. Azo lazaina arak’izany fa tsy to-teny eo imason’izao tontolo izao intsony ny filohan’ny tetezamita. Nandritra ny famaliany ny fanontanian’ny mpanao gazety no nanambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara fa tokony hajaina ny tetiandro napetraky ny CENIT miaraka amin’ny manampahaizan’ny Firenena Mikambana.

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny paik’ady vaovao kasain’ny filohan’ny Tetezamita hampiharina mba hahatongavana amin’ny tanjona napetrany ho takalon’ny tsy fahafahany milatsaka ho fidina filoham-pirenena. Isan’ny nilaza ny heviny nandritra ny famaliana ny fanontanian’ny mpanao gazety ny lehiben’ny delegasion’ny Vondrona Eropeanina eto Madagasikara, Leonidas Tezapsidis. Araka ny nambaran’ity masoivoho vahiny ity dia tokony hajaina ary tsy azo ovana araka izay itiavana azy ny tetiandro izay efa niarahan’ny CENIT sy ny Fanankaviambe iraisam-pirenena nanapaka. Nomarihiny ihany koa fa efa nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra teto Madagasikara izany. Nanao fanambarana ihany koa ny SADC, ka ankoatry ny fankatoavana ny fanampahankevitry ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny Tetezamita izay samy tsy hilatsaka amin’ny fifidianana dia isan’ny nasiany tsindrim-peo ny fankatoavany ny tetiandro izay efa navoakan’ny CENIT amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara. Midika izany rehetra izany fa tsy ankatoavin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny soso-kevitra narosoan’ny filohan’ny Tetezamita ny hampadroso ny fifidianana solombavam-bahoaka mialoha ny fifidiana Filoham-pirenena. Marihina fa efa naneho ny heviny ny amin’ny tsy fetezan’izany ihany koa ny mpampaka-teny avy ao amin’ny CENIT izay nanamarika fa tsy maintsy ifampierana amin’ireo rehetra izay nandrafitra izany tetiandro izany ny fanovana raha toa ka misy ny fifanarahana politika mitaky ny fanatanterahana an’izany. Kely dia kely arak’izany ny herijika mety ahatafita an’ity soso-kevitra naroson’ny Filohan’ny Tetezamita ity.
Ankoatr’izay dia isan’ny nomarihan’ny lehiben’ny delegasionn’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara ihany koa ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpanao politika eto Madagasikara. Antony nampitarozaka ny famahana izao krizy lalovan’ny firenena izao.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa tsy vitsy ihany koa ireo izay mbola manahy ny amin’ny mety tsy hitazonan’ny Filohan’ny Tetezamita ny tany nataony momba izay tsy filatsahan-ko fidina izay. Ny tranga izay efa niseho hatrizay nisian’ny fifanantonana ho fikatsahana vahaolana amin’ny krizy izay no isan’ny antony nahatonga azy ireo tsy hino fa hitana ny teny nataony ny Filohan’ny Tetezamita.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...