Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nosamborin’ny Polisy ilay « Assistant parlementaire »

18/01/2013

Voasambotry ny Polisy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (sakelika fahadimy) etsy Anosy, ny alarobia 16 janoary 2013 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tetsy Analakely, akaikin’ny polisin’ny boriboritany voalohany ilay lehilahy nanao vono nitarika fahafatesana tany Mananjary. Tsara ny manamarika fa nahazo taratasy avy amin’ny Fitsarana eto Antananarivo ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (sakelika fahadimy) mba hanohizana ny fanadihadiana mikasika ilay lehilahy nanao vono nitarika fahafatesana tany Mananjary ny 21 desambra 2012.

Ny 21 desambra 2012 no tonga tao Mananjary ity lehilahy Assistant parlementaire voalaza fa mpisehoseho . Najanony nibahana teo ampovoan’ny arabe ny fiara 4x4 nentiny ary nila vanona tamin’ny olona teo izy.Tohina tamin’ny teny sy fihetsika nataony ity lehilahy iray izay Surveillant Général ny Lycée ao Mananjary,nitsangana sy mba niteny azy. Kanjo niafara tamin’ny fifandonana izany. Voatsatotsatoky ny antsy avokoa ny tenan’ity Surveillant Général ity, tapatapaka ny taolany. Samy niditra hopitaly izy roalahy ny niafarany, kanjo ny 24 desambra 2012 dia tsy tana ny ain’ilay voatsatotsatoka antsy.
Noraisin ‘ny Polisy tao Mananjary ny raharaha. Voalaza fa narary ity lehilahy nanao vono nitarika fahafatesana ity ka tsy voatolotra ny Fitsarana tao an-toerana. Izao notohizana teto Antananarivo izao ny famotorana satria fantatra fa mihaodihaody eto Antananarivo ilay nahafaty olona.
Tsiahivina ihany koa fa ity raharaha ity no nitarika ilay hatezaran’ny mponina tao Mananjary ka nahatonga azy ireo handroba ny Commissariat de Police tany an-toerana.
Efa natao ny taratasy filazana ny fitadiavana ity lehilahy ity hatramin’ny fiandohan’ny taona 2013 ka izao izy tratra tao Analakely izao. Rehefa nadihadiana ny tenany dia nilaza fa io lehilahy maty io no mpisotasota. Izay marihana fa misy vavolombelona efa voaray nahita ny tena zava-nitranga tany an-toerana. Hatolotra ny Fitsarana eto Antananarivo ny 17 janoary 2013 ity raharaha ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...