Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Voafitaka ireo « Agents Operateurs de saisie »

19/01/2013

Velontaraina ireo « Agents opérateurs de saisie » ao amin’ny Distrikan’i Moramanga araka ny fanambarana voaray eto amin’ny sampan’ny Fanoratana eto amin’ny Gazety la Nation. Valo alina ariary isaky « ligne » no nifanarahana tamin’ny fandraisana azy ireo hanatontosa ny fandraisana an tsolosaina ny lisitry ny mpifidy, araka ny hita ao amin’ny andininy faha 3 ao amin’ny fifanarahana izay mivaky toy izao :

« … une indemnité de QUATRE VINGT ARIARY par ligne enregistrée sera allouée au prestataire en contrepartie de sa prestation, laquelle lui sera réglée qu’à la fin des opérations de saisie et après certification du service fait par la commission ». Raha araka ny fitarainana nalefan’izy ireo anefa dia lasa efapolo ariary isaky ny olona voasoratra ao anaty solosaina no nomena azy ireo.
Manaitra ny CENI-T foibe manoloana izao zava-misy izao, arak’izany ireo « Agents opérateurs de saisie » any amin’ny CID Moramanga, ary manaitra ihany koa ny tompon’andrikim-panjakana sy ny mpamatsy vola mba hijery akaiky an’ity raharaha ity.
Ankoatr’izay dia manainga anareo « Agents opérateurs de saisie » naman’izy ireo manerana ny Nosy ihany koa izay ireo, indrindra ireo izay voakasik’izao raharaha izao mba hifanome tànana aminy hitaky ny mangarahara. Nomarihan’ny fanambarana fa hatreto dia am-bava fno nanambarana azy ireo izao fanovana ny voalaza tao amin’ny fifanarahana izao, saingy hentitra sy vonona ny tsy hanefa afa tsy efapolo ariary ireo tompon’andraikitra raha ny fahitan’izy ireo izany. Ho an’ireto « Agents opérateurs de saisie » ireto dia taratry ny fifidianana ho avy izao « fitaka sy halatra » atao amin’izy ireo izao

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...