Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Notifirin’ny dahalo ny mpianatra

22/10/2012

Saika isan’andro no isehoan’ny fanafihan-jiolahy ao antampon-tananan’Ambalavao, tato anatin’ny herinandro vitsivitsy. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mpianatra mpanofa trao tao amin’ilay fianankaaviana voatafika no lasibatry ny tifitr’ireo dahalo. Naratra mafy ilay mpianatra, vokatr’izany tifitra izany. Tsy nahazo n’inon’inona kosa ireo jiolahy.Tovolahy 19 taona, avy any Ankaramena ary mandranto fianarana ao Ambalavao no lasivatry ny tifitra nataon’ireo jiolahy

nanafika ny tranon’ilay fianankaviana anofany trano. Ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitranga izany fanafihan-jiolahy izany. Miisa 8 lahy ireo nanafika tao amin’ity fianankaviana ity, araka ny loharanom-baovao. Sendra nitondra tena teny ivelan’ny trano kosa ilay tovolahy no sendra ireto dahalo ireto ka avy hatrany dia notifirin’izy ireo teo amin’ny kibony. Natatra mafy arak’izany ity mpianatra ity ary voatery nentina tany Fianarantsoa mihitsy notsaboina. Ny vaovao azo farany no nilaza fa efa tsy misy atahorana ny fahasalamany na dia mbola arahi-maso akaiky aza izany.
Tetsy an-danin’izany, araka ny vaovao avy any an-toerana ihany, mbola lavitra ny tokantranony ny raim-pianankaviana tao amin’ity tokantrano ity nandritra io fanafihana io. Nahazo hafatra an-telefaonina momba ny zava-nitranga ny tenany ka avy hatrany dia niantso fanampiana tamin’ireo mpitandro filaminana ao Ambalavao. Araka ny vaovao dia tsy nisy tonga ara-potoana na ny polisy na ny zandary tany an-toerana na dia nahazo antso ara-potoana aza izy ireo. Tsy nisy nivoaka ihany koa ireo mponina teny amin’ny manodidina nandritra ny fanafihana.
Marihana fa tsy nahazo n’inon’inona ireo mpangalatra tamin’ity fanafihana ity. Tsy nanan’omby rahateo ilay fianankaviana notafihin’izy ireo satria tsy mpiompy fa mpivarotra izany fianankaviana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...