Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nifampitory teny amin’ny Polisy ny samy vazaha

22/01/2013

Mpiara-miasa samy teratany sovietika no nivadim-pitokisana. Nanorina orinasa mpitrandraka volamena sy vato izay nomen’izy ireo anarana hoe “ ALPHA MADAGASCAR, ALPHA KATSEPY” ireto teratany vahiny ireto. Roa izy ireo no nifanaraka tamin’izany ka i David no tombom-bola ary Vladmir kosa no hitantana izany teto Madagasikara ary nifanaiky fa hisy tombony ny Orinasa. Vola mitentina 1.085.777, 49 dollars na 20 milliard Fmg ny vola noenti-nanorina ity orinasa ity. Tamin’ny 2008 no nanomboka niasa ny orinasa ka hatramin’izao. Tany Mouscou i David no naheno tamin’ny namany fa namidin’I Vladmir tamina olona iray ny orinasa sy ireo entana ao aminy. Tsy iza fa i Evgeny no nividy izany orinasa izany.

Tonga teto Madagasikara i David nametraka fitoriana teny amin’ny BC 6, ka nanomboka teo ny fanadihadian’ny Polisy.
Tratra teny Ivato, tao an-tranony i Vladmir tokony ho tamin’ny 6ora sasany maraina ny zoma lasa teo, ary Evgeny kosa teo amin’ny Carlton no tratehaka, tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Noentina nanaovana fanadihadiana tao amin’ny BC 6 izy ireo, ka tamin’ny fanadihadiana azy no nitenenan’i Vladmir fa nofitahin’i Evgeny tamin’ny taratasy tsy misy fantany izy satria teny frantsay izay tsy hainy ilay izy ka izay no nahalasa ny orinasa. I Evgeny kosa nilaza tamin’ny fanadihadiana azy fa namidin’i Vladmir taminy ny Orinasa miaraka amin’ny fitaovana rehetra ao.
Ny mpitory moa dia mangataka ny hamerenana aminy ny orinasa. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka nesorin’ny Fitsarana fa tsy voakasika amin’ity raharaha ity i Evgeny fa notanana eny amponja kosa i Vladmir.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...