Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Fianankaviana 300 noravana trano fonenana

23/01/2013

Mirongatra ny ady tany any Toamasina amin’izao fotoana izao. Fianankaviana miisa 300 indray no nesorina tamin’ny toerana efa nonenan’izy ireo omaly. Noravana tamin’ny “bulldozer” roa ny trano fonenan’izy ireo. Didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana any an-toerana no notanterahina tamin’izany. Toy ny rano natsipy teny an-damosin’ny gana ilay antso avo nataon’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina mikasika ny fandrarana, izany hoe fampiatohana ny fandravana trano fonenana eto Madagasikara.

Raha ny zava-nitranga tany Toamasina, omaly no jerena dia tsy mbola vonona ny hanaraka izany baikon’ny filohan’ny tetezamita izany ny Fitsarana satria ny didy izay navoakan’ny mpitsara no nahafahan’ny vaditany nanatanteraka ny fandravana ny tanana iray manontolo tamin’izany toerana izany, noho ny fandresen’ireo vondron’olona niady tamin’ireto fokonolona. Vokatr’izany,
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia efa indroa no saika hanatontosa ity fandravana ity ilay vadintany sy ireo solon-tenan’ny milaza fa tompon’ny tany ny taona lasa teo. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy tamin’izao fahatelo izao.
Araka ny taratasy ny fitarainan’ireo fokonolona dia misy tsy fifanarahana eo amin’ireo taratasy avy amin’ny fitsarana sy ny avy amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ary ny avy amin’ny tahirin-tany na “titre foncier” laharana 13.186-BA mitondra ny anarana hoe “Roche Villars” izay fototry ny disadisa. Ny taratasim-pitsarana milaza araka ny didy maika navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany lah: 119-AGR-12 ny 25 jolay 2012 sy ny didy maika ny fitsarana ambony lah: CATO-41-REF/12 ny 30 oktobra 2012, dia samy milaza fa mirefy 11ha 76a 68ca ilay tany. Ny “certificat juridique” n’ny tany izay nivoaka ny 23 febroary 2012 kosa dia manamarika fa 10ha 01a 21ca no refin’io tany iadivana io. Ny “extrait de carte foncier” nivoaka ny 02 jona 2008 kosa mahita fa mirefy 15ha 33a 79ca izany tany iadiana amin’ny fokonolona ity.
Ankilan’izay, dia tsy mitovy ihany koa ny toerana tondroin’ireo taratasy ireo, izany hoe ny toerana sy ny fokontany ary ny kaominina misy ilay tany mahatonga ny disadisa. Raha ny voasoratra ara-panjakana dia Ambomandroso fokontany Tanandava kaominina Toamasina suburbaine no misy ity tany ity. Ny fitsarana kosa nahita fa Betainaomby, fokontany Ambodisaina kaominina Amboditandroroho ilay toerana. Ny biraon’ny fananan-tany kosa an-kilany milaza fa Betainaomby fokontany Tanandava kaominina Amboditandroroho ilay toerana.
Ny “Societe Zafitsara” no milaza ho tompon’ilay tany, ka izany Nirina Ramanandraibe izany no solon-tenany teo anatrehan’ny fitsarana.
Araka ny vaovao farany, dia namoaka didy ny 21 janoary teo ny fitsarana tampony mandrava ny didy navoakan’ny fitsarana tao Toamasina. Antenaina arak’izany fa hiverina amin’ny fokonolona io taniny, na dia efa nisy azan y fandravana ny tranon’izy ireo. Tsara anefa ny mampatsiahy fa tsy tteto amin’ity toerana ity ihany no misy adi-tany tao amin’ny manodidina an’i Toamasina. Saika fokonolona miady amina mpanam-bola na orinasa avokoa izany adi-tany izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...