Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tokony nifanarahana

24/01/2013

Deraina sy ankasitrahan’izao tontolo izao ny fihetsika sy fanapahan-kevitra noraisin’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, mikasika ny fisitahan’izireo amin’ny filatsahan-k’ho fidiana amin’ny manaraka eo. Maro ireo mihevitra fa dingana lehibe mankany amin’ny fahatoniana sy fivoaran’ny krizy izany fanapahan-kevitra izany. Tsy vitsy koa ireo azo lazaina fa kandidà “kely” no nampirisika an’io safidy “Ni…ni” io mba ahazoany vahana kely eo amin’ny fifidianana filohampirenena manaraka.

Ny tsy azo lavina aloha dia maro ireo mpomba an’I Marc Ravalomanana sy I Andry Rajoelina no diso fanantenana taorian’ny filazana tsy ho isan’ny mpifaninana, nataon’ireo olona tohanany. Raha mijanona eon y raharaha dia mety hampihena be tokoa ny risi-pony amin’ny fifidianana manaraka izany ka ahina ny hidinan’ny taha fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Mety hisy hatrany araka izany ny fikatsahana làlana, mendrika na tsia, entina anembatsembanana izay fitondrana tafajoro eo. Ary ahina ny hiverimberenan’ny tsy fitonina ara-politika.
Tsikaritra dieny izao fa misy toe-javatra mampiahiahy. Taorian’ny andro manjombona taorian’ny filazan-dRavalomanana sy Rajoelina ny tsy hilatsahany, dia indro fa toa mivatravatra sy misehoseho indray ny mpomba ny filoha Rajoelina. Fitokanana atsy, lanonana eroa ! Toa milàza fa tsy mbola tapitra eo akory ny tantara. Ny filoha Rajoelina aza moa dia efa nanambara sahady fa ho kandidà amin’ny fifidianana ho filohampirenena amin’ny taona…2018. Ary ny “faniriany” ny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny filohampirenena dia azo adika fa misy kajikajy politika kendreny ao. Ravalomanana ihany koa dia nilaza fa tsy misy fanapahan-kevitra azo raisin’ireo mpomba azy raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana izy. Dia eo indrindra isika izao. Tsy miady, tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany. Raha izao fizotry ny raharaha izao tokoa ny dinihina dia alaim-panahy ny tena ilàza fa mety hisy ny fivadihan-kevitra avy amin’ireto roalahy fototry ny ady ireto.
Azo ambara mantsy fa toa fanapahan-kevitra manokana (decision unilateral) ihany izao nataon’ireto olona roa ireo izao, ka tsy misy manakana na mamatotra azireo tsy hivadi-dela. Raha tena tia tanindrazana sy madio heritreritra tokoa mantsy ry zareo dia tokony ho nifanarahana izao tsy filatsahana ho fidiana izao, ary natao sonia tamin’ny fomba manetriketrika mba ho ren-tany ho ren-danitra. Ary tokony ho nisy mihitsy ny fifandraisan-tànana, izay marika sahady ny fampihavanana sy ny fifamelana. Azo natao koa ny nanitatra ny firosoana amin’ny lalindalina kokoa, ka nanaovana karazana velirano fa tsy hitsabatsabaka na hiditra amin’ny raharaha politika, fa mba samy hanao izay heveriny ho fampandrosoana ny firenena. Saingy tsy izay aloha ny zava-misy. Tsy izay no iainana. Mbola mampanahy ny ho avin’ny firenena satria samy mbola tsy maty voalavo an-kibo ny roa tonta. Tena mbola lavitra ny tena fitoniana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...