Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mikomy amin’ny FAT ny vahoakan'i Toamasina

23/10/2012

Nirotsaka an-dalambe ny vahoaka notarihan’ireo avy amin’ilay hetsika atao ho “tsisy miala eto niany” any amin’iny renivohitry ny faritra Antsinanana iny, omaly maraina. Sora-baventy maneho ny tsy fahafalian’izy ireo amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra ny mahakasika azy ireo mivantana no nentin’izy ireo tamin’ny faritra rehetra izay nolalovan’izy ireo nandritra izany hetsika izany. Tsy nisy ny fifandonana fa nizotra tao anatin’ny filaminana avokoa ny hetsika nataon’ireto andian’olona ireo, izay nahatratra an’arivony araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Faritra maro tao an-tampon-tananan’i Toamasina no nanaovan’ny fikambanana “tsisy miala eto niany” fihetsiketsehana omaly. Niainga avy ao amin’ny kianja mitafo izany hetsika izany ary nihodina teny amin’ny lalana eny Tanambao V nihazo ny gare routière ary niverina teny amin’ny kianja mitafo. Maro dia maro tokoa ny olona tazana nandray anjara tamin’izany fihetsiketsehana an-dalambe izany, raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Misy kosa anefa ireo nilaza fa mifangaro tamin’ny mpandeha tsotra teny an’arabe sy ireo liana mijery ireo mpanao fihetsiketsehana no nahatonga izany famaroan’olona izany. Marihana fa nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ity fihetsiketsehana ity. Izany hoe tsy nisy ny fihoaram-pefy n any fandrobana tahaka izay miseho matetika rehefa misy ny fidinana an-dalambe toy izao. Tazana nanara-maso azy ireo rahateo ny mpitandro filaminana avy amin’ny fiadidiana ny tananan’i Toamasina.
Sora-beventy maro no nentin’ireo mpanao fihetsiketsehana ireo naneho ny fitakiana nataony. Isan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny fitakiana manandrify ireo mpiasa fahiny tao amin’ny tetikasa Ambatovy izay mitaky izay heverin’izy ireo fa zony ka mbola tsy nomen’ity tetik’asa ity. Marihina fa isan’ny fitakian’ireo mpiasa teo aloha tao Ambatovy ihany koa ny hanaovana ho lohalaharana ireo mponina any amin’iny faritra iny amin’ny fandraisana mpiasa ao amin’ity tetikasa ity. Ankoatr’ireo mpiasa taloha tany Ambatovy dia isan’ny nisongadina tamin’ny fitakiana ihany koa ny tsy fanekena ny fanovana ny mpitantana ao amin’ny Antenimieran’ny varotra any Toamasina. Ny filohan’ny Comité ad hoc tao amin’ny CCT rahateo no lohandohany tamin’ity hetsika ity amin’ny maha filohan’ny antoko “tsisy miala eto niany” azy. Tsara ny mampatsiahy fa araka ny nambaran’ny Lehiben’ny faritra dia miandry ny fanampahan-kevitry ny ministeran’ny Varotra ny fanohizana na tsia ny famindram-pahefana eo amin’ny mpitondra teo aloha sy ilay mpitondra vao notendrena hitantana ity Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria any Toamasina ity. Izany dia taorian’ny tsy fahatanterahan’ny famindram-pitantanana izay nokasaina natao herinandro vitsy lasa izay.
Nilaza ny tsy hitsahatra amin’izao hetsika izao ireo mpanao fihetsiketsehana raha ny hafatra nampitain’izy ireo nandritra ny fidinana an(dalambe izay nataony omaly. Ho an’ireo tompon’nandrikim-panjakana any an-toerana kosa dia heverina fa mety misy ambadika politika ihany aorian’izao raharaha izao. Samy mailo arak’izany na ny an-daniny na ny an-kilany manoloana ity hetsika izay miha-mahazo vahana any amin’ny renivohitry ny Faritra Antsinanana ity.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...