Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nisy namaky ny “Maison des jeunes”

02/02/2013

Lasibatry ny halatra ny « Maison des jeunes » tao Ambalavao. Ny alin’ny alakamisy lasa teo no nitrangan’izany. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ny efitra lehibe tao amin’ity trano ity no nidiran’ireo mpangalatra ka teo amin’ny varavaran-kely izy ireo no niditra. Lasan’izy ireo tamin’izany ny moto iray sy bisikileta roa ary seza sy fanaka hafa tao amin’ity trano ity.

Lasan’izy ireo ihany koa ny gitara iray tao. Araka ny fitantaran’I Razaka izay tompon’andrikitra ao amin’ity “Maison des jeunes” dia notohan’ireo mpangalatra tamin’ny latabatra ny varavarana nisy ny mpiambina izay tsy nahare na kely aza ny nidiran’izy ireo tao amin’ilay efitra lehibe nanaovan’izy ireo ny asa-ratsiny. Ny manodidina izay nifoha ny maraina no nahatsikaritra fa nidanadana ny varavarana ka nanaitra ny rehetra. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona kanefa tsy nahitam-bokany izany hatramin’ny ora nazoana ny vaovao. Efa mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Marihina fa vao tamin’ny taon-dasa no navaozina ity toerana natokana ho fanabeazana sy fampialàm-boly ny tanora tany Ambalavao ity. Ny UNFPA no namatsy vola ny fampitaovana sy ny fanavaozana izany fotodrafitrasa izany. Nahasarika tanora maro ihany koa ny “Maison des jeunes” noho izy ahitana ireo fialam-boly sy fanabeazana samihafa.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...