Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mbola mametraka fepetra ny Vondrona Eoropeana

23/10/2012

Nanaiky ny hanasonia ny atontan-taratasy mahakasika ny famatsiam-bola ny fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Eropeana sy ny firenena Suisse ary i Norvège. Alohan’ny faran’ity volana ity no hatao izany fifanaovan-tsonia ny fifanarahana izany na ny PACEM (Projet d’appui au cycle electoral à Madagascar). Mbola hiankina amin’ny fivorian’ny Komisiona Eropeana izay hatao ny tapatapaky ny volana desambra ho avy io anefa ny fivoahan’ny famatsiam-bola avy amin’ity Vondrona ity, ary mbola hiankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ihany koa.

Tsy mbola azo antoka ny famatsiam-bola ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara raha ny fihetsik’ireo firenen-dehibe sy ireo mpamatsy vola no jerena. Araka ny fantatra nandritra ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny komisiona misahana ny fifidianana na ny CENIT, izay natao omaly tao Alarobia dia efa naneho ny fahavononany hanasonia ilay fifanarahana momba ny famatsiam-bola ny fifidianana ireo firenena sasany to any Vondrona Eropeana sy ny Firenena Norveziana ary ny Fanjakana Suisse. Alohan’ny faran’ity volana ity no voalaza fa hatao izany fifanaovan-tsonia izany. Ho an’ny Vondrona Eropeanina manokana dia vola mitentina hatramin’ny 15 tapitrisa dolara no hamatsiany an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana izany fifidianana izany, saingy nametraka fepetra kosa izy alohan’ny hamoahany io vola io. Izany hoe miankina amin’ny fivoaran’ny krizy eto amin’ny firenena no hisian’ity famatsiam-bola ny fifidianana ity. Etsy an-danin’izany dia nilaza mazava ihany koa ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto Madagasikara fa mbola miankina amin’ny fivoriana hataon’ny Komisiona Eropeana amin’ny tapatapaky ny volana desambra ho avy izao ny famoahana io vola io.
Nazahoam-baovao nandritra ity fivoriana natao omaly teny amin’ny CENIT ity ihany koa ny momba ny fizotran’ny fanisana ny mpifidy izay efa mandeha amin’izao fotoana izao raha araka ny fahitan’ireo ao amin’ny vaomieram-pirenen’ny Fifidianana azy. Araka ny vinavinan’izy ireo dia any an-tenantenan’ny volana novembra no ho vita tanteraka izany fanisana ny mpifidy eto Madagasikara izany. Vinavina izay tsy dia atokisan’ny maro loatra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay mahazo vahana saika manerana ny nosy amin’izao fotoana izao. Mametram-panontaniana ny momba ny fanisana ireo mponina any amin’ireo faritra tena anjakan’ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao ny maro.
Marihana fa tany am-boalohany dia mitentina 71 tapitrisa dolara ny vola voalza fa ilain’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2013. Efa tafidina hatrany amin’ny 65 tapitrisa dolara anefa izany raha araka ny vaovao voaray tamin’io omaly io. Mahasahana ny fiatrehana ny fihomanana sy ny fiatrehana ary ny aorian’ny fifidianana io vola io raha araka ny fanazavana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...