Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nivoaka ny fanazavana ôfisialy

06/02/2013

Nitondra fanazavana tamin’ny antsipirihany ny zava-nitranga hatramin’ny nisian’ilay fakana an-keriny farany teo tany Toamasina ka hatramin’ny nahasamborana an’ireo mpaka an-keriny ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Vondrom-paritry ny Zandarmariam-pirenena Toamasina I. Efa voasambotra avokoa ireo mpaka an-keriny ary efa votsotra ihany koa ireo nalaina an-keriny. Araka ny fanazavan’izy ireo dia ny sabotsy 26 janoary tamin’ny 07ora hariva no nanombohan’ny fakana an-keriny an’ireo zanaka sinoa mpandraharaha tao Toamasina ireo. Tao Tanamakoa no nakan’ny mpaka an-keriny azy ireo. Mbola tsy nisy nahalala ny zava-nitranga anefa ny fianakavian’izy ireo raha tsy ny alahady 27 janoary maraina, rehafa nisy ny antso an-tarobia nataon’ireo mpaka an-keriny.

Araka ny fanazavan’ny “chef d’Escadron” ao amin’ny vondrom-paritan’ny zandary Toamasina I, ny Kapiteny Tovo, dia ny alahady ihany izy ireo dia efa nanao ny fanaraha-maso rehetra tamin’ny alalan’ny fitiliana ny toerana niavian’ny antso nataon’ireo mpaka an-keriny. Nanampy azy ireo tamin’izany ireo orinasa misahana ny tamban-jotram-pifandraisana an-telefaonina izay nahafantarana fa tao Mangarano II no misy an’ireo mpaka an-keriny. Tsy afaka nanao fihetsika mahery avy hatrany anefa ny mpitandro filaminana mba ho fiarovana ny ain’ireo takalon’aina. Ny hany azon’izy ireo natao dia ny fifampiresahana sy ny fitadiavana fifanarahana vonjimaika tamin’ireo mpaka an-keriny izay nanomboka ny alahady ary nitohy ny alatsinainy.
Fantatra ihany koa, araka ny vaovao ihany fa voatery nandoha ny vola mitentina 680.000 Euros araka ny tsy ôfisialy ireo fianankavian’ireo takalon’aina. Nambaran’ny zandary anefa fa tsy voamarina ny fisian’ny fandohavana izany vola izany. Ny alarobia tamin’ny 10 ora maraina kosa no nanomboka ny fisamborana an’ireo mpaka an-keriny. Olona 10 no voasambotra tamin’izany. I Seraphin izay isan’ny mpitarika ny fakàna an-keriny no tratra voalohany. Voatery nanapoaka basy ny mpitandro filaminana tamin’ny fisamborana azy satria saika handositra ity mpaka an-keriny ity. Mbola nahitana vola “300 Euros” tany aminy tamin’io fotoana io. Voasambotra tamin’io fotoana io ihany koa ireo roa lahy namany izay tratra tao anaty trano niaraka tamin’ny vadin’ilay tompon-trano sy vehivavy roa hafa sakaizan’ireo jiolahy. Nahatratrana ody gasy sy ireo rojo vy miisa roa ary gadanà roa tao anatin’ity “villa” niafenan’izy ireo ity. Taorian’izay dia sarona ireo roa lahy hafa mpanara-maso teny amin’ny làlana miditra an’ny Mangarano II sy mpampita ny vaovao momba ny zava-misy amin’ireo ao anaty “villa”. Tratra farany kosa ireo mpivady tompon’ny fiara 309 fotsy laharana 4453 AF, izay nampiasan’ireo jiolahy nandritra ny fakana an-keriny, ary ny fiara “Clio” laharana 3755 TAB izay nampiasain’izy mivady tompon’ny “villa” nanomanana ny asa ratsy rehetra.
Ankoatr’ireo dia mbola karohana fatratra kosa ireo roa lahy mbola nandositra, izay fantatra Tovo fa isan’ireo raindahiny tamin’ny fanaovana ‘kidnapping’ tao Toamasina. Fantatra fa isan’ny tafiditra tamin’ny fakana an-keriny ny zanaka lahin’ny tompon’ny orinasa mpanamboatra savony SKT izany roalahy mbola karohina izany, izay tafaporitsaka hatrany rehefa misy ny fisamborana azy. Hiakatra fitsarana amin’ity herinandro ity ireo izay efa voasambotra izay heverina fa tsy hazonina ao Ambalatavoahangy.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...