Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Vaky ny ady eo amin’ny Lehiben’ny faritra sy ny Ben’ny tanana

06/02/2013

Raikitra ny disadisa eo amin’ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Ben’ny tananan’Ambatondrazaka. Ny fandaminana ny fifamoivoizana eo an-tampontanana no antony nahavaky ny tsy fifankazoana efa nisy hatry ny ela teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Ahiana mafy ny hionganan’ny Ben’ny tanana amin’ny maha filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana any amin’iny faritra iny ny tenany. Tsy nahafaly ny maro, indrindra ireo ben’ny tanana avy amin’ireo kaomina manodidina ny tananan’Ambatondrazaka ny fandaminana nataon’ny Ben’ny tanana Andriamanirison Jacques. Tsy inona izany fandaminana izany fa ny fandraràna ireo taxi-bisikleta tsy hiasa ao anatin’ny tananan’Ambatondrazaka. Araka io fanampahan-kevitra io dia ny fitaterana mampitohy ny tananan’Ambatondrazaka amin’ireo tanana manodidina no azon’ity fitaovam-pivamoivoizana ity atao.

Tsy maintsy mijanona eny ivelan’ny tanana arak’izany izy ireo fa tsy mahazo manao izany asa izany ao antampon-tanana toy ny nahazatra hatrizay. Naneho ny tsy fahafaliany manoloana izay fanampahan-kevitry ny Ben’ny tananan’Ambatondrazaka izay ny Ben’ny tanana sasantsasany avy amin’ireo kaomina manodidina. Isan’izany ny Ben’ny tananan’ny kaomina Ampitatsimo, Andrianalinirina dit Baiandry, izay nilaza am-pahibemaso fa tsy hanaiky izany fanampahan-kevitra izany na oviana na oviana. Araka ny loharanom-baovao dia ao ambadik’ity hetsika ataon’ny Ben’ny tananan’Ampitatsimo ity ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro. Tao amin’ny biraon’ny Faritra rahateo no nanatanterahan’ny Ben’ny tanana vitsivitsy avy amin’ireo kaomina ambanivohitra, manodidina an’Ambatondrazaka, fihaonana hanomanana ny hetsika hanoherana ity fanampahan-kevitra ity.
Re ihany koa, araka ny loharanom-baovao fa isan’ny paik’adin’ireo Ben’ny tanana avy amin’ireo kaomina manodidina ny hanongana ny Ben’ny tananan’Ambatondrazaka amin’ny toarana maha filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanana any amin’iny faritra iny ny tenany. Hafanafana arak’izany ny toe-draharaha politika sy fiaraha-monina any Ambatondrazaka ato ho ato, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fiomankomanan’ny mpanao politika amin’ny fiatrehana ny fifidianana izao.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...