Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy ampy ny vola sy ny fotoana

09/02/2013

Araka ny fanambaran’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Ati-tany, Rakotonarivo Thierry dia sady tsy ampy ny fotoana no tsy ampy ihany koa ny vola entin’ity ministera ity miatrika ny hetsika fanomezana karapanondrom-pirenena ho an’ireo mpifidy mbola tsy manana izany manerana ny Nosy. Tsy azo antenaina arak’izany ny ahatomombana izany hetsika izany araka ny tokony ho izy na dia efa manao izay ho afany amin’izany aza ity departemanta ity. Nambaran’ity tompon’andrikitra ity fa 3 900 000 000 ariary no nangatahan’ny Ministera mba hanatanterahana izany hetsika izany.

Hatreto anefa dia tsy nisy afa-tsy 1 200 000 000 ariary no nomen’ny fitondrana tetezamita hanaovana ny asa. Etsy an-danin’izany, tsy maintsy vitaina alohan’ny 15 avrily ihany koa ny hetsika rehetra kanefa tsy afa-manao afa-tsy 100 000 karapanondro isam-bolana izy ireo, kanefa mahatratra 850 000 ny isan’ireo tsy manana karapanondro, araka ny fanisana nataon’ny CENIT.
Nomarihan’ity tompon’andrikitra ity fa samy manana tsy azo itompoana teny fantatra io isa io satria samy manana ny antony tsy ananany karapanondrom-pirenena ireo olona ireo. Misy, hoy izy ireo izay manana karapanondro ihany fa noho ny antony ara-politika dia tsy mety mampiseho izany. Misy kosa ireo izay tsy te-hanao karapanondro fotsiny izao noho ny antony samihafa. Ao ihany koa ireo izay tsy mety manao mihintsy noho ny antony tsy fandriam-pahalemana.
Marihina fa efa miparitaka any amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao ireo teknisianin’ny ministeran’ny Atitany izay hanao izany hetsika fanomezana karapanondrom-pirenena izany. Efa naparitaka any amin’ny faritany ihany koa, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany, ireo fitaovana hikarakarana izany asa izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...