Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nametram-pialàna

12/02/2013

Tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitra ambony tao amin’ny fiadidiana ny Fiangonana Katolika Romana no nahafantarana fa nametra-pialàna amin’ny fitantanana ny Eglizy Katolika maneran-tany ny Papa Ray Masina Benoit faha XVI. Araka ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity dia ny fahatsapan’ny Ray Masina fa tsy ampy hiatrehany ny andraikitra nankinina taminy intsony ny heriny, no nahatonga azy nandray izao fanampahan-kevitra izao. Amin’ny 28 febroary 2013 amin’ny valo ora alina no hiala tanteraka amin’ny Fiketrahana Masina ny Papa Benoit faha XVI. Manomboka amin’io ora io dia miditra amin’ny fotoana atao hoe « sede vacante » na fahabangan-toeran’ny fiketrahana Masina ny Fiangonana Katolika . Araka ny vaovao azo farany dia mety ho any amin’ny volana Marsa no hiantso fivoriamben’ny Kardinaly maneran-tany ny fiadidiana ny Fiangonana katolika mba hifidy izay hisolo ny Papa Benoit XVI.

Maro no tsy nanampo ity fampetram-pialana tampoka nataon’ny Papa Benoit faha XVI ity. Tsy vitsy anefa ny nidera ny fasahin’izany olom-piangonana izany satria raha araka ny mahazatra dia tokony hitondra mandram-pahafatiny toy ireo Papa nifandimby ny tenany. Tsara ny mampatsiahy fa tamin’ny taona 1415 no nisy Papa nametram-pialana farany, ary lafiny ara-pahasalamana ihany koa no nahatonga azy nametram-pialàna. Tsy iza izany fa ny Papa Grégoire XII.
Ny Papa Ray Masina Benoit XVI no Papa faha 265 nitondra ny fiangonana katolika maneran-tany. Izy ihany koa no teratany Allemand voafidy voalohany tamin’izany toerana izany. Tamin’ny 19 avrily taona 2005 izy no niakatra teo amin’ny Fikatrahana Masina amin’ny maha evekan’i Roma azy, nandimby ny Papa Joany Paoly faha II. 85 taona ny Papa Benoit XVI amin’izao fotoana izao ary araka ny nambarany dia “mila olona manana vatana tomady sy saina afaka maharaka ny fivoarana misy amin’izao fotoana izao ny fitantanana ny fiangonana katolika maneran-tany”.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...