Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nidina an-dalambe ny mpianatra

24/10/2012

Misy amin’ireo sampam-pianarana any amin’ny anjerimanontolo eny Ankatso no mbola tsy nahazo vatsim-pianarana hatramin’izay dimy volana efa nanombohan’ny fampianarana izay. Teo anatrehan’izany dia nanao hetsika fitakiana tamin’ny alalan’ny fisakanana ny fifamoivoizana teny amin’ny manodidina ny fidirana eny amin’ny faritry ny anjerimanontolo izy ireo omaly. Hetsika izay nambaran’izy ireo fa santatra ihany ary fanairana ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny momba azy ireo. Raikitra indray ny korontana teny Ankatso, raha mba nilamina kely izany toeram-pampianarana izany nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian’ny fitsaharan’ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka sy ireo mpandraharahan’ny Oniversité.

Arak’izany dia ny mpianatra indray tamin’ny omaly no naneho ny tsy fahafalian’izy izy ireo. Nisy arak’izany ny fidinan’ireto farany teny an-dalambe, izany hoe teny amin’ny faritra manodidina ny fidirana eny amin’ny toeram-pampianarana. Araka ny fanazavana avy amin’ny mpitarika azy ireo dia ny tsy nandraisan’izy ireo hatramin’izao ny vatsim-pianarana no anton’izany fihetsiketsehana an-dalambe izany. Efa dimy volana izay no efa nanombohan’ny fampianarana teny amin’ny anjerimanontolo kanefa misy amin’ireo mpianatra eny amin’ny sampam-pianarana samihafa no mbola tsy nahazo vatsim-pianarana mihintsy hatramin’izao, hoy ihany ny fanazavan’ny mpitarika ireto mpianatra nanao fihetsiketsehana ireto.
Nifamontoana teny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibe teny amin’ny lalana miditra any Ankatso ary ireo mpianatra avy eny amin’ny anjerimanontolo, omaly maraina. Nikorontana arak’izany ny manodidina iny faritra iny vokatry ny fisakanan’ireto mpianatra ireto ny fifamoivoizana. Araka ny fanazavan’ny mpitarika azy ireo dia mbola fanombohan’ny hetsika izay kasain’izy ireo hatao ihany iny omaly iny, ary fanairana ny mpitondra fanjakana mahakasika ny fasahiranan’izy ireo nohon’ny tsy fazoana ny vatsim-pianarana. Mbola hisy, hoy izy ny paik’ady izay hanohizana izany hetsika izany raha tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana.
Marihina fa araka ny nambaran’ireo mpianatra hafa samy avy eny amin’ny anjery manontolo ihany dia ireo avy amin’ny sampam-pampianarana toe-karena (économie) no maro an’isa tamin’ireo nanao fitokonana omaly. Nisafidy ny hiandry ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Oniversité kosa ireo avy amin’ny sampam-pampianarana hafa alohan’ny hanatevin-daharana azy ireo. Efa nilaza, araka ny nambaran’izy ireo, ny filohan’ny Oniversite fa amin’ny herinandro ho avy io no handohavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...