Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mamoaka entona indray, hoy ny mponina

15/02/2013

Velon-taraina indray amin’izao fotoana izao ireo mponina mipetraka amin’ny faritra lalovan’ny fantsona mitondra ireo vokatry ny teteik’asa Ambatovy. Arakan y fitarainan’izy ireo dia maro amin’izy ireo no tratry ny haretina sempotra amin’izao fotoana izao. Monina amin’ny faritra manodidina ny 100 metatra manodidina ny orinasa Ambatovy ao Tsararivotra Toamasina suburbain ny ankamaroan’ireo olona mitaraina ireo. Araka ny nambaran’ireto mponina ireto ihany dia nanomboka ny alahady sy ny alatsinainy teo no nitrangan’izany. Voalazan’ireo milaza ny tena voan’ilay entona tamin’ny mpanao gazety, fa mitovy tamin’ny zava-nisy tamin’ilay entona tafavoaka tamin’ny taon-dasa ny zava-nisy amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo fa maro ny voly simba sy ny hazo main’ilay entona amin’ny faitra manodidina.

Loharanom-baovao avy ao amin’ny tetikasa Ambatovy kosa no nahafantarana fa « namelona ilay milina izay efa novelomina tamin’ny taon-dasa indray ny orinasa Ambatovy tamin’ny faran’ny herinandro teo. Marihina fa ity milina ity ilay voatery najanona noho ny fanamboarana sy fanatsarana ny fiasany. Toy ny fitaovana vao velomina rehetra anefa, dia misy hatrany ny olana kely ka mahatonga ny fivoahan’ny entona avy ao anatin’ireo fantsona aminy ».
Mbola ny loharanom-baovao tao amin’ny orinasa ihany no nahafantarana fa tsy nihoatra ny 100m manodidina ny orinasa ny entona tafavoaka nandritra ny famelonana ny milina toy izao. Efa nandefasana mpitsobo sy mpanara-maso, hoy izy ireo, ny mponina manodidina ireo toerana ireo ary nozahana ara-pahasalamana sy nomena fitsaboana arakaraka ny fitarainana nataony sy ny tranga hitan’Ambatovy. Mbola mitohy ihany koa hatramin’izao izany fizaham-pahasalamana omen any mponina izany na efa ny alahady sy alatsinainy teo no nitrangany raharaha.
Miandry ny fanazavana ofisialy avy amin’ny orinasa Ambatovy ny rehetra, mba tsy hihitaran’ny raharaha indray ka nampisy disadisa tahaka ilay fanomezana nataon’Ambatovy ny kaominina, sy ny fanakihanana mavaivay nahazo azy ireo nataon’ny filohan’ny tetezamita.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...