Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nisedra olana nandritra ny taona 2012

18/02/2013

Niaiky ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’i Toamasina fa taona sarotra ho an’ity kaomina ity ny taon-dasa. Nandritra ny lanonana nifampiarahaban’ny mpiasan’ny kaomina nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao no nanambaran’i Toalina Zafindrabary izany. “Taona tena mafy ho an’ny kaominina iny taona 2012 iny, na izany niezaka ny mpiasa rehetra nitsitsy sy nampidi-bola, ka vitanay ihany ny andraikitray”, hoy izy namariparitra ny dingana vita nandritra ny fankalazan’izy ireo ny taom-baovaony tao amin’ny kianja mitafo ny Soavita.

Na izany na tsy izany, nambarany fa nisy ihany ny zava-bita noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny sehatra tsy miankina. Isan’ny naira-niasa tamin’ny kaomina Toamasina ny Spat sy ny Mctsl. Teo ihany koa ny fanampian’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany, ary ny fanatontosan’ny orinasa Ambatovy ny bokinandraikiny amin’ny fanampiany ny kaominina eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy fanatsarana ny tanana.
Tetsy an-daniny dia nanasongadina ny lesoka izay hitany tamin’ny fiaraha-miasa kosa ny sekretera jeneralin’ny kaominina. Nambarany fa “tsy ampy firaisan-kina isika rehetra amin’ny fitiavana an’i Toamasina, mbola misy hatrany ny mpanakan-dalana sy mpanimpy hoditra akondro amin’ireo efa miezaka sy manampy. Ny tsara vitan’ny hafa hobiana, ireo mpanampy tehafana ary ireo misalasala amporosihana”.
Marihina fa nanoritsoritra ny dingana miandry amin’ity taona ity ihany koa ny fiadidiana ny tananan’i Toamasina nandritra ity lanonana fifampiarahabana tratry ny taona ity. “Maro ny asa miandry anay amin’ity taona ity hoy ny PDS Toalina Zafindrabary. Isan’izany ny famitana ireo foto-drafitrasa tsy vita toy ny tsenan’ny bazary be izay efa nafindra nanomboka tamin’ny sabotsy teo ireo mpivarotra. Ny volana martsa izao no hanomboka ny fanamboarana izay hirahana amin’ny tetikasa Ambatovy amin’ny alalan’ilay vola 25 tapitrisa dolara. Isan’ny hampiasana izany vola izany ihany koa ny fanarenana ny lalana Bouleverd Ralaimongo eny amoron-dranomasina. Ankoatr’izany dia isan’ny asa miandry ihany koa ny fanampiana ny kaomina amin’ny andraikitra sahaniny amin’ny fanomanana ny fifidianana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...