Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nampiaka-peo ireo Sojabe avy any Sofia

20/02/2013

Nanao fanambarana iombonana, omaly, ireo fikambanana samihafa sy ireo Ray aman-dreny avy any amin’ny faritra Sofia. Kianin’izy ireo tamin’ny alalan’izany fanambarana izany ny fihetsiky ny fitondrana Tetezamita amin’ny fanenjehana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy. Mitaky ny hampitsaharana izany fihetsika izany ireto olomaana-kaja ara-drazana avy any amin’ny faritra Sofia ireto. Nomarihan’ny fanambarana fa fanendrikendrehana tsotra izao no manjo ny Profesora Tehindrazanarivelo Alain.

Feno ny kapoaka ary tafakatra avo dia avo ny maripàna. Fikambanana maro avy any amin’ny faritra Sofia no niray feo namoaka fanambarana manameloka ny fihetsiky ataon’ny fitondrana tetezamita amin’ny zanak’izany faritra izany. Isan’izany ny Fikambanana fifanaovan-tsoa Tsimihety, ny Sojabe Sofia, ny fikambanana Sofia Miray, ny fikambanana CAS France et Madagascar, ny fikambanana distrika 7 faritra Sofia, ny Association des cadres Sofia mifagnontrogno (ACSM) ary ny Solodarité des étudiants de la region Sofia (Soeres). Mitaky ny fampijanonana ny fanenjehana lavareny, ny fampigadrana, ny fandroahana amin’ny asa, ny fanilikiliana tsy ara-drariny ary ny fanalam-baraka atao amin’ny zanak’i Sofia izy ireo, araka ny hita ao amin’ny fanambarana nataony. Mbola isan’ny takian’izy ireo ihany koa ny fanilikilihana ny zanak’i Sofia taorian’ny fanalana ny Prezidà Philibert tsiranana tamin’ny fitondrana ka hatramin’izao, eo ihany koa ny fiampangana ireo mpitondra ny Repoblika voalohany ho namono filoham-pirenena tamin’ny 11 febroary 1975.
Ankoatr’izay dia nambaran’ny fanambarana ihany koa fa “manohitra marin-drano ny fanendrikendrehana ny profesora Tehindrazanarivelo Alain Djacoba ho lohan’ny olon-dratsin’ny tetezamita ary mitaky ny hanajanonana avy hatrany ny fanenjehana azy mba ahafahany sy afahan’ny zanaky ny faritra Sofia hiatrika ny fifidianana am-pitoniana”. Isan’ireo nitarika izao fanambarana nataon’ny zanak’i Sofia izao ny jeneraly Mamizara Jules sy ny CST Pierre Tsiranana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...