Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Ny hevitry ny mpanara-baovao

21/02/2013

CST Me Rasamimaka Mahefalahy mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina “Aoka ny tena ray aman-dreny marina no hampihavana, satria raha ny endriny izao dia sady mpandidy no mpanaka ny mpikambana ao. Nahoana moa ireo mpikambana sasany no efa hita fa mpirona sy efa miloko politika nefa izy ireo indray no hampihavana? Nahoana ny mpikambana efa nokihanin’ny vahoaka sy ny mpanao politika maro mbola tafaverina? Ilaina ny fampihavanana noho izy soatoavina Malagasy nampirindra ny fiaraha-monina, na tsy ny Malagasy aza no niady fa ny mpanao politika, noho ny voninahitra sy ny fitiavan-tseza ary noho ny vola natobaky ny fanjakana vahiny amin’ny fiarovany ny tombontsoany”.

Ricky Dinh-Van Pagni PDS lefitra faharoa, kaominin’i Toamasina sady mpitarika ny antoko Tgv Toamasina I

“Tsy niova firy tamin’ny teo aloha ireo mpikambana ankehitriny, izay mpanao politika mialokaloka ao anatina vondron’ny fiaramonim-pirenena ihany koa. Lavitra sy sarotra noho izany ny lalana ka raha tsy vita aloha ny fifidianana dia tsy ho vita intsony. Ny tokony atao dia mba tena ireo ray aman-dreny ankatoavin’ny faritra tsirairay no hisahana izany fa tsy ireo olona tsy hain’ny ankamaroan’ny faritra niaviany nanendrena azy ireo, satria sady ilaina amin’ny fampitoniana ny firenena izany no hanatsarana ny fizotry ny fifidianana”.

Dr Rakotomalala Harry olon-tsotra
“Raha ny tena zava-misy dia tsy mitaratra izany fampihavanam-pirenena izany ny zava-misy eo anivon’ny FFM io, satria ireo mpanao politika mialokaloka ao anatin’ireo fiaramonim-pirenena ihany no ao anatiny. Raha tena hiditra amin’izay fampihavanana izany dia tokony ireo olona tena ray aman-dreny marina sy mahalala tsara izany atao hoe fampihavanana izany ary ireo mba tena matahotra an’Andriamanitra no hisahana izany”.

Toto Wenceslas Ludovic, filohan’ny Fikambanana TAFMAD
“Tsy olana ho anay ny mpikambana ao anatin’ny FFM fa ny asa ataony no zava-dehibe. Rafitra efa nifanekena tao anatin’ny tondrozotra ny FFM. Ny tokony ataon’ireo mpikambana izao dia ny fanatanterahana ny fampihavanana ny samy mpanao politika izay tena nahatonga ny krizy, ny mpanao politika sy ny vahoaka izay leo politika noho ny zava-nisy nataon’iretsy voalohany, ary ny fampihavanana ny samy Malagasy sy ny foko misy manerana ny nosy, izay very soatoavina noho ny hetraketrakan’ny politika”

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...