Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hisy hetsika manokana

21/02/2013

Nandritra ny fanambarana nataon’ny mpitandro filaminana no nilazan’izy ireo fa hanatanteraka hetsika manokana ho fitandroana ny fandriam-pahalemana eto Antananarivo renivohitra izy ireo. Nambarany fa tsy hitsitsy mihintsy izy ireo amin’ny fanenjehana ireo jiolahy ary mety hitifitra mihintsy raha ilaina izany. Noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana izay nirongatra izay tsy izy tato ho ato teto an-drenivohitra no nahatonga izao fanampahan-kevitry ny mpitandro filaminana izao araka ny fanazavan’ny lehiben’ny CIRGN Analamanga omaly.

Hisy arak’izany ireo mpitandro filaminana izay hanao fisafoana any amin’ireo faritra samihafa eto an-drenivohitra, indrindra ny alina. Ankoatry ny fisafoana izay hataon’izy ireo dia efa misy ihany koa ireo laharan-tariby izay azon’ny rehetra iantsoana ny mpitandro filaminana raha misy fanafihana mahazo azy ireo. Marihina fa araka ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana dia mahatratra efatra isan-kerinandro amin’izao fotoana izao ny fanafihana mitam-piadiana mitranga eto an-drenivohitra.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...