Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hiditra any Toliara androany

22/02/2013

Araka ny vinavinan’ny foibe mpamantatra ny toetrandro eto Madagasikara dia hiditra an-tanety ao amin’ny faritr’i Toliara amin’ity androany ity ilay rivodoza “Haruna”. Etsy andanin’izany dia tsy mitsaha-mitombo ny takaitra vokatry ny raon’orana sy ny rivotra aterak’izany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Efa tafakatra 5806 ireo tra-boina amin’izao fotoana izao ary miisa 8 ny maty sy ny tsy hita popoka. Hikasika ny ilany atsimo andrefan’i Madagasikara amin’ity androany ity ny ivon’ilay rivodoza “Haruna”, izay efa niteraka andro ratsy tamin’ny faritra maro ihany koa hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetrando ny nampahafantatra tamin’ny alalan’ny tatitra nataony omaly hariva fa ny tolakandro no hiditra an-tanety any Toliara izany rivodoza izany ary hamakivaky ny ilany atsimon’ny Nosy mandram-pivoahany any amin’ny mabodidina an’i Tolagnaro.

Mahatratra 6 kilometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ity rivodoza ity ary tonga hatramin’ny 207 kilometatra isan’ora kosa ny rivotra entiny.
Araka ny vaovao any any Toliary dia efa hatry ny omaly no efa nirotsaka tsy an-kijanona ny orana tao amin’izany tanana izany. Efa miakatra arak’izany ny haavon’ny rano any amin’ireo faritra iva any an-toerana, izay efa misy mahatratra atsasa-metatra miala amin’ny tany. Mbola ahiana anefa ny hiakaran’izany amin’ity androany ity.

Mitombo isa ny tra-boina

Tsy misaraka amin’ny fandalovan’ny andro ratsy toy izao ny fisian’ireo traboina. Araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC (bureau national de gestion des risques et des catastrophes) omaly hariva dia efa mahatratra 5806 ny isan’ireo olona tra-boina amin’ny faritra maro manerana ny Nosy vokatr’ity andro ratsy ity ary miisa 615 ireo tsy manan-kialofana. Mahatratra 5 kosa ireo maty ary 3 no tsy hita popoka. Miisa 43 ireo trano rava. Ho an’ny faritra Antananarivo manokana, mahatratra 2160 ny traboina ka ny 1280 amin’ireo dia eto andrenivohitra avokoa. Miisa 490 kosa ny traboina ho an’Antananarivo faha IV, 390 ho an’Antananarivo faha V ary fianankaviana miisa 55 no traboina ho an’Antananarivo faha VI. Trano miisa 691 kosa no dibo-drano (463 amin’ny boriboritany I, 145 ao amin’ny boriboritany IV, 83 ao amin’ny boriboritany V) .
Ho an’ny faritra ivelan’Antananarivo, mahatratra 3646 no isan’ny traboina : (1 546 any Miandrivazo, 100 any Vohipeno, 2000 any Mahafasa Farafangana. Fianankaviana 248 no tsy manan-kialofana: 40 any Miandrivazo, 35 any Ifanadiana, 65 any Manakara, ary 108 any Vohipeno. Trano 43 rava tanteraka vokatry ny andro ratsy : 30 any Mahafasa Farafangana, 3 any Miandrivazo. Miisa 749 kosa ireo trano dibo-drano (424 any Miandrivazo, 30 any Ifanadiana, 45 any Manakara ary 250 any Vohipeno). Isan’ny lasibatra ihany koa ny foto-drafitrasa toy ny lalam-pirenena ka miisa 18 amin’izao fotoana izao no tapaka tsy azo ifamoivoizana.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...