Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mpianatra miisa 28 voasambotra tany Barikadimy

26/10/2012

Voatery nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Rég any Toamasina izay nadrava ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatr, omaly, tao amin’ny Oniversité any Barikadimy. Fitakiana ny handoavan’ny fitondrana ny vatsim-pianarana mandritra ny dimy volana izay mbola tsy azon’izy ireo hatramin’izao, sy ny vola fampitaovana ny mpianatra no anton’izany hetsika nataon’ny mpianatra izany. Niafara tamin’ny fifanandrinana teo amin’ireo mpianatra izay namely tamin’ny tora-bato, tetsy an-daniny, ary ireo mpitandro filaminana izay nanao tifi-danitra nandrava ny hetsiky ny

mpianatra, tetsy an-kilany, izany hetsika izany. Vokany: mpianatra miisa 28 no nosamborin’ny mpitandro filaminana. Naratra mafy vokatry ny toraka nahazo azy kosa ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo Reg ireo.Tsy milamina i Toamasina. Nisesisesy ireo hetsika samihafa izay mianedrika fitakiana sy fanehoana tsy fahafaliana tany amin’iny renivohitry ny Faritra Antsinanana iny, efa herinandro vitsivitsy izao. Abkoatry ny hetsika nataon’ireo fikambanana sy antoko mivondrona ao amin’ilay fikmbanambe fantatra amin’ny anarana hoe “Tsisy miala eto niany”, dia tsy nitsahatra ny naneho ny tsy fahafaliany ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny Oniversité any Barikadimy. Efa naharitra andro maromaro ny hetsika ataon’izy ireo saingy tsy amin’ny atoandro fa amin’ny hariva no hanaovany izany. Omaly kosa dia tapa-kevitra ny hanamafy ny fitakiany izy ireo ka nanao hetsika nanomboka ny maraina. Nirotsaka nandrava izany hetsiky ny mpianatra izany kosa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo Regt any an-toerana. Hetsika izay notoherin’ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny tora-bato. Nisy arak’izany ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny an-kilany. Vokany: mpianatra miisa 28 no nosamborin’ireto mpitandro filaminana ireto izay nentina avy hatrany nanaovana famotorana. Naratra vokatry ny toraka kosa ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana. Fantatra ihany koa ankoatr’izay fa potika nohon’ny toraka nahazo azy ny fitaratra eo aloha (Pare-brise), an’ny fiaran’ny Emmo-Rég. Marihana fa araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny Distrika any Toamasina I dia efa navotsotra ny 23 tamin’ireo mpianatra izay nosamborina tamin’ity hetsika ity, rehefa avy nanaovana famotopotorana teny amin’ny mpitandro filaminana.
Tsy nahazo vatsim-pianarana
Dimy volana izao no nanombohan’ny taom-pianarana, kanefa tsy mbola nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra, ary mbola tsy nahazo fampitaovana ihany koa. Izay no nambaran’ireo mpianatra fa antony nahatonga azy ireo hanao izao fihetsiketsehana izao. Araka ny nambaran’izy ireo dia efa nisy ny dingana samihafa sy am-pilaminana nataon’izy ireo mba ho fanairana ny mpitondra mikasika ny olana sedrain’izy ireo. Minia manao bemarenina anefa ny mpitondra fanjakana amin’izao tetezamita izao ka izay no nahatonga azy ireo hirotsaka an-dalambe.
Marihina fa vao andro vitsivitsy ihany koa izay dia nanao hetsika mitovy amin’izay nitranga omaly tany Toamasina ny mpianatry ny Anjerimanontolo teto Antananarivo. Ny tsy fahazoana ny vatsim-pianarana nandritra ny 5 volana sy ny fampitaovana ihany koa no anton’izany fihetsikettsehana izany. Arak’izany dia mitovy ny fahavoazana manjo ny mpianatra any Toamasina sy ny eto Antananarivo. Mety hitovy an’izany ihany koa ny zava-misy any amin’ny faritra hafa. Izany hoe samy tsy nahazo vatsim-pianarana nandritra ny dimy volana ny mpianatry ny oniversite manerana ny nosy. Zava-misy izay mahatonga ny maro hilaza fa tsy ataon’ny fitondrana tetezamita ankilabao ny fiainan’ireo mpianatra manerana ny Nosy, indrindra ireo eny amin’ny Anjerimanontolo.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...