Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Tsy voaongana i Dolin Rasolosoa

27/10/2012

Tsy nahomby ny fikasan’ireo CST mpanohana ny filoha Rajoelina izay nikasa ny hanongana ny filohan’ny Filankevitra avon’ny Tetezamita, Dolin Rasolosoa. Raha nikasa ny hametraka fifidianana fitsipaham-pitokisana ny filohan’ity andrim-panjakan’ny Tetezamita ity ireo ampahany tamin’ireo parlemantera, indrindra ireo mpanohana ny filoha Rajoelina, dia nandà ny maha zava-dehibe an’izany kosa ireo ampahany hafa izay nahitana ireo avy amin’ny ankoalfy Ravalomanana. Ny hevitra avy amin’ireto farany moa no nandresy satria tsy tafita ny fanonganana an’i Dolin Rasolosoa. Mazava

arak’izany fa mbola nitarika ny fivoriana ity farany nadritra ny fivoriana natao omaly teny amin’ny lapan’ny Antenimieran-doholona. Marihina fa ny tsy fahafahan’ity filohan’ny CST ity niaro ny mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana tarihany manoloana ny tsy fahampian’ny vola ampiasaina no voalaza fa anton’izany fangatahana ny fanonganana azy izany. Olana mahakasika ny tombontsoan’ny mpikambana ao amin ‘ny CST arak’izany no tena fototry ny savorovoro nisy teny amin’ny lapa maintso teny Anosy nandritra ny roa andro izany.Na izany na tsy izany, nafana dia nafana ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo samy mpikambana tao amin’ity andrim-panjakana ity nadritra ny omaly tontolo andro. Ny momba ny tombontsoan’ireo mpikambana izay voalaza fa mifanalavitra loatra amin’ny tombontsoan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra no isan’ny tena niompanan’ny ady hevitra. Fantatra nandritra izany ady hevitra izany ary fa tsy handany ny tetibolam-panjakana taona 2013 ireto parlemantera ireto raha tsy efa mahafa-po azy ireo ny momba ny tombontsoan’izy ireo. Mitaky ny hanomezana azy ireo ny fitaovana ahafahany manatontosa araka ny tokony ho izy ny andraikitr’izy ireo ireto parlemantera ireto.
Marihina fa mitaky ny fanatrehan’ny minisitry ny Fitantanambola ny fivorian’ny Filankevitra avon’ny tetezamita ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity. Mitaky fanazavana amin’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity ny momba ny fitantanambola eto amin’ny firenena ny CST. Isan’ny anton’izany fitakiana ny fihaonana amin’ny minisitry ny vola izany ihany koa ny fangataham-panazavana mikasika ny tsy nisian’ny “conference budgétaire” tamin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana taona 2013. Voalazan’ireo parlemantera fa takiana amin’ny fandrafetana ity tetibolampanjakana ity izany fomba fiasa izany.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...