Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

MIjery ny zavamisy eto Madagasikara

30/10/2012

Mitsidika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny iraky ny vondron’ireo parlemantera eropeanina ao anatin’ilay fikambanana atao hoe « Groupe d’Amitié Union Européenne – Madagascar », izay tarihan’ny filohany, ny solombavambahoaka Philippe Boulland. Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharahambahiny Malagasy teny amin’ny trano fiasany teny Anosy ireto vahiny ireto omaly maraina. Tamin’izany fihaonana izany no nampahafantaran’izy ireo ny anton-diany eto an-toerana. Tsy inona izany fa ny hihaino ireo izay hery rehetra voaksiky ny krizy eto Madagasikara mba ahafahana

manondro ny laharam-pahamehan’ity vondrona misy azy ireo ity amin’izay mety ho fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fivoahana amin’ny krizy.Hanao tatitra momba ny zava-misy eto Madagasikara eo an’ivon’ny parlemanta eropeana, arak’izany ireto vahiny ireto. Isan’ny tanjon’izy ireo ihany koa ny hitondra ny fahitan’izy ireo ny toe-draharaha eto Madagasikara eo anatrehan’ny parlemanta eropeana. Nomarihan’ity mpitarika ny delegasiona nitsidika tamim-pomba fanajana ny minisitry ny Raharaham-bahiny ity anefa fa tsy hitsikera ny zava-misy eto Madagasikara velively izy ireo ary tsy hitsabaka amin’ny resaka politikan’ny andaniny na ny ankilany amin’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.
Nitondra fanazavana mikasika ny fandraisan’anjaran’ny Vondrona Eropeana amin’ny fikarakarana ny fifidianana ihany koa ireto parlemantera ireto. Araka ny nambarany dia tsy hivoaka na oviana na oviana ny famatsiambola ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eropeana raha tsy efa mandrotsaka ny anjarany ny fanjakana Malagasy.
Ireto avy ireo mpikambana amin’ity delegasiona eropeana mitsidika eto Madagasikara ireto : Philippe Boulland, solombavambahoaka eropeana avy any Frantsa, Zoltan Bago, solombavambahoaka eropeana avy any Hongrie, Maurice Ponga, solombavambahoaka eropeana avy any Frantsa, Sandor Stelli-Kis, mpamampy, Maxime Obé, mpanampy.
Marihana fa nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety taorian’ny fihaonana tamin’ireto delegasiona ireto no nanambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rajaonarivelo Pierrot fa miandry fatratra ny fanampahan-kevitry ny SADC amin’izao fotoana izao ny fianankaviambe iraisam-pirenena mba ahafahan’izy ireo mamaritra ny fifandraisany amin’i Madagasikara.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...