Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Mibaby trosa

30/10/2012

Misedra olana goavana amin’izao fotoana izao ny Oniversiten’Antananarivo, sy ny oniversité manerana ny Nosy ihany koa. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiadidiana ny oniversité eto Antananarivo dia mbola tsy voaloha ny ankamaroany amin’ireo trosa goavana mitambesatra amin’ny kitapombolan’ity toeram-pampianarana ambony ity. Ny tsy fahampian’ny tetobola azo avy amin’ny fanjakana no anton’izany. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra anefa izany. Vatsim-pianarana izay tsy voaloha efa hatramin’ny nanombohan’ity taom-piarana ity, na ho an’ny mpianatra eto an-toerana na ny mpianatra any ivelany.

Mbola tsy azo antenaina hatreto ny fazoana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversité rehetra eto Madagasikara. Mbola tsy azo antoka ihany koa ny hazoan’ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana any ivelany, toy ireo any Frantsa sy ireo any Chine. Nohon’ny tsy fahampian’ny vola ampisasain’ny Oniversité no anton’izany. Sady tsy ampy ny vola fampandehanan-draharaha avy amin’ny fitondram-panjakana no mibaby trosa marobe ny oniversité raha araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fiadidiana ny fampianarana ambony eto an-toerana. Araka ity loharanom-baovao ity dia tsy nisy afa-tsy 48 miliara ariary ny vola fampandehanan-draharaha azon’ny oniversité avy amin’ny fanjakana tamin’ity taona ity raha 116 miliara ariary no teto-bola tokony ho azony. Etsy an-danin’izany anefa dia mbola mihoampampana ny trosa tsy maintsy alohan’izy ireo amin’ny sampandraharaha samihafa toy ny Jirama sy ny Imprimerie nationale.
Vokatr’izany dia tsy afaka ny hanome ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra ny oniversité. Marihana fa efa hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana, izany hoe efa dimy volana lasa izay no tsy nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatre eny amin’ny ambaratonga ambony. Mbola tsy nahazo fampitaovana ihany koa izy ireo mandrak’izao.
Marihana fa manohy ny hetsika fitakiana izay efa natombony, mikasika izany vatsim-pianarana sy fampitaovana izany ny mpianatry ny oniversité eto Antananarivo. Efa nisy ny hetsika nataon’izy ireo teny amin’ny fidirana eny Ankatso ny herinandro lasa teo. Nambaran’izy ireo ihany koa tamin’ny omaly fa hanohy izany hetsika izany izy ireo mandram-pivoakan’ny vatsim-pianarana.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...