Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Fivarotana roa voaroba tao Ambodin’Isotry

30/11/2012

Vola, finday ary zava-pisotro mahamamo. Ireo no nalain’ireo jiolahy nanafika fivarotana roa tao amin’ny fokontanin’Ambodin’Isotry omaly alina. Tonga ara-potoana kosa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena izay nifandona tamin’ireo jiolahy ary nahasambotra ny iray tamin’izy ireo.

Nahitana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray tao amin’ny fokontanin’Ambodin’Isotry ny alin’ny alarobia mifoha alakamisy teo. Araka ny fantatra dia miisa telo ireo jiolahy izay nanafika tamin’io fotoana io ka tokatrano roa no lasibatra. Ny voalohany dia tranona mpivarotra hanimaska iray tao amin’izany fokontany izany, ary ny faharoa kosa dia tranona mpivarotra zava-pisotro. Vola finday ary zava-pisotra amina tavoahangy maro no nalain’ireto mpangalatra ireto tamin’izany. Soa ihany fa nisy nampandre haingana ny polisy avy amin’ny SAG eto Antananarivo izay tsy niandry ela fa avy hatrany dia tonga teny an-toerana nifanehitra tamin’ireo mpangalatra. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo jiolahy saingy tsy nisy ny naratra n any aina nafoy. Voasambotra nandritra izany kosa ny iray tamin’ireo mpangalatra, niaraka tamin’ny basy izay nentin’izy ireo.
Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy arak’izany ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Mbola tsy voafehy arak’izany ity raharaha fanafihana mitam-piadiana izay isan’ny nanamarika izao fitondrana tetezamita izao ity. Satria tamin’izao fitondrana izao no azo lazaina fa tena nirongatra izay tsy izy ny fanafihana izay ahitana fitaovam-piadiana. Manaporofo ihany koa izany fa tsy voafehy araka ny tokony ho izy ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika. Tsara ihany koa anefa ny manamarika fa mahomby ny fatratrarana ireo jiolahy rehefa tonga ara-potoana any amin’ireo mpitandro filaminana ny filazana ny fisian’ny fanafihana araka ity nitranga tao amin’ny fokontany Ambodin’Isotry ity.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...